Kolontsaina malagasy ny moraingy na morengy. Ho tontosaina ny alahady 6 aprily 2025, ao amin’ny kianjan’ny Kanto Mahamasina ny Morengy Iarivo ho fampahafantarana sy fanandratana ity haiady nentim-paharazana malagasy ity. Mpanao morengy miisa 14 avy amin’ny faritra maro (Diego, Nosy-Be, Ambilobe, Sambava , Ambatondrazaka ary Antananarivo) no hifanandrina amin’io fotoana io. Hifandona amin’i Armand avy amin’ny Boite Noire Diego i Black Canon avy amin’ny Scorpion Noir Nosy-Be. Bongo (Boite Noire Diego) hifandona amin’i Black Lido (Scorpion Noire Nosy-Be). Handray anjara amin’io fotoana io ihany koa i Fab Jaguar (Fianarantsoa) sy Thugor (Boire Noire Diego), BlackVy (Romboay), Dera (Boite noire Diego) sy Fredo (Ambatondrazaka), Mamy Devil (Antananarivo) sy Kaka Be Boucher (Diego) ary i Mahery (Antananarivo) sy Ralava (Ambatondrazaka).
Ny Koezy Company no mikarakara ity andiany voalohany ity. Miara-misalahy amin’ny fanantanterahana azy ny « Confédération du Tourisme de Madagascar » na CTM, ny Ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina, ny Ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena. « Inona no atao hoe morengy? Iza no afaka manao morengy? Inona ny fitsipi-dalao? Ho fampahafantarana sy ho fankalazana ny kolontsaina morengy no tanjona amin’ity hetsika ity », hoy i Geoffrey Gaspard, avy amin’ny Koezy Company, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, ny 1 aprily 2025, teny Antaninarenina.
Haiady ampiasaina hondry sy tongotra ny morengy. Anisany mampiavaka azy ny fombafomba ataon’ny mpanao morengy. « Ny fomba fanao toy ny fitondrana rano no maha morengy ny morengy. Mampiasa ody fiaro ny aina ny mpilalao. Tsy azo esorina izany fa mahazo alalana izy ireo ampiasa izany satria izay maha kolontsaina ny morengy », hoy i Tsaranazy Wallas, mpitantana ny vondrona « Tombokiondry soman’ny Sambirano » ao anatin’ny facebook, manome lanja ny morengy. Nilaza izy fa tsy mahazo mamono olona efa lavo ihany koa ny mpilalao. Nanamafy i Tsaranazy fa « kolontsaina maha malagasy, tsy azo ialàna ny morengy ka tokony hampivelarantsika, tokony hampahafantarintsika amin’izao tontolo izao ».
Ny taona 2024, nahavita namokatra horonantsary momba ny morengy any amin’ny faritra avaratr’i Madagasikara (Diego, Ambanja, Nosy-Be) i Geoffrey Gaspard, amin’ny maha mpanatontosa azy. Mampiseho ny tantaran’ny morengy, mampahafantatra ny mpilalao morengy, ny fandaminana ao anatiny sy ny fifandraisany ara-toekarena ny horonantsary « Domboeza ». « Mila mazava amintsika Malagasy ny fombantsika », hoy i Geoffrey Gaspard. « Raha ny tantara dia tany amin’ny faritra Atsimo andrefana, tany Menabe sy avy amin’ny Sakalava Maroseranana no niandohan’ny moraingy », araka ny fanazavany. Lasa haiady fanao manerana an’i Madagasikara, indrindra any indrindra any amin’ny faritra amorontsiraka izany taty aoriana.
Lynda A.