Miakatra ny vidin’ny osy sy ny ondry rehefa vanim-potoanan’ny Aïd al-Adha na antsoina hoe « fête du sacrifice ». Tafiakatra eo anelanelan’ny 325.000 ka hatramin’ny 400.000 Ariary ny vidiny iray raha ho an’ny eto Madagasikara, araka ny fanazavan’ny fikambanana La Charité de Madagascar. « Tsy naka tombom-barotra tamin’ireo osy sy ondry nanaovana fanatitra izahay. 200.000 Ariary ny namarotana azy tamin’ireo mpino silamo maniry ny hanao fanatitra mandritra ny fankalazana Aïd al-Adha. Izany no natao mba ahafahan’ny mpino silamo manao sorona sy ho fikatsahana ny tombontsoan’ny daholobe », hoy i Assenjee Zouber, Filohan’ny fikambanana La Charité de Madagascar.
Niara-niasa tamin’ny fikambanana Sans Frontières Daoudi Nisrine France (ASFDN) ity fikambanan mpanao asa eto Madagasikara ity tamin’ny fanantanterahana izany. Ny ASFDN no nanangona ireo Silamo tany ivelany maniry ny hanao sorona mandritra ny Aïd al-Adha. Nividianana ondry sy osy miisa 155 ny vola voaangona tamin’ireo mpino silamo ireo. Nozaraina tamin’ny zokiolona, fianakaviana sahirana, zaza kamboty sy mponina mipetraka amin’ireo ambanivohitra manodidina an’Antananarivo (Andranovelona, Iarinarivo, Ambodivonikely, Ambohibary, Nihaingorana, Antambohoroasosona). Olona miisa 3200 no nisitraka izany ka samy nahazo hena iray kilao avy. Ny 6 jona 2025 ny fankalazana ny Aïd al-Adha teto Madagasikara.
Fety manan-danja amin’ny mpino silamo ny Aïd al-Adha ho ny fanoloran-tenan’i Mpaminany Ibrahim (na Abrahama). Araka ny fivavahana silamo dia nanaiky hanolotra ny zanany lahy Ismaël ho sorona noho ny fanekena an’Andriamanitra i Ibrahim. Talohan’ny fanatanterahana ny sorona anefa, dia nosoloan’Andriamanitra ondry ilay zaza, ho mariky ny fanandramana sy finoana lalina. Amin’ny andro ny Aïd al-Adha dia manao sorona ondry na biby hafa ny Silamo manam-bola ho fahatsiarovana izany. Marihina fa miankina amin’ny fijerena ny fisehoan’ny volana vaovao ny andro ankalazana ny « fête du sacrifice » ka mety hisy fahasamihafana amin’ny daty isaky ny firenena.
Lynda A.