Efa ho vehivavy telo no nifandimby nandalo tao amin’ny Trano Aro Zo, nandritra ny 15 minitra nijanonana nanaovana fanadihadiana tao. Mandray fitarainana momba ny trangam-piarahamonina ity ivon-toerana eny Andohatapenaka ity. Nahatratra 3.423 ny fitarainana voaray ny taona 2024 (antontan’isa hatramin’ny 6 desambra 2024). Momba ny herisetra ao an-tokantrano sy fampirafesana ny 80 % amin’ireo. Misy karazany maro ny herisetra (ara-batana, ara-tsaina, ara-nofo, ara-toekarena) fa nitombo ny trangana herisetra ara-toekarena raha oharina tamin’ny taona 2023, araka ny fanazavan’i Randrianaivo Didier, Lehiben’ny tetikasa ao amin’ny Trano Aro Zo. Ny tsy fandraisana andraikitry ny lehilahy, toy ny tsy fanomezana vola ao an-tokantrano no endrika isehoan’izany. Antony faharoa be mpitaraina eny anivon’ny Trano Aro Zo ny fampirafesana, izay sokajiana ho herisetra ara-tsaina ary miteraka herisetra ara-toekarena satria mahatonga tsy firaharahiana ny ao an-tokantrano ary miafara amin’ny tsy fanomezana vola. Ny taona 2007 no nisokatra ny ivon-toerana. Ny ministeran’ny fitsarana, tamin’ny alalan’ny fiararahamiasa tamin’ny fandaharan’asan’ny firenena mikambana momba ny fampandrosoana (PNUD) no nametraka azy ho famerenana amin’ny laoniny ny voka-dratsin’ny fandikan-dalàna nitarika fahavoazana sy tsy fanajana ny zo. Manome torohevitra sy torolalana mpitaraina ny ivon-toerana, mampiantso ny olona voakasiky ny fitarainana ka mampahafantatra azy ny lalàna, ao anatin’izany ny sazy miandry azy. “Tsy fitsarana ny Trano Aro Zo fa mamaha ny olana aty ifotony ary voavaha ny ankabeazany”, hoy hatrany Randrianaivo Didier, mpahay lalàna. Nambarany fa anisany mahatonga ny herisetra tsy fahampian’ny toekarena isan-tokantrano, tsy fahampian’ ny fidiram-bola, ny tsy fisian’asa. Eo ihany koa tsy fahampian’ny tantsoroka ao an-tokantrano sy ny fanabeazana.
Mila beazina ny ray aman-dreny
Ny vehivavy no betsaka iharan’ny herisetra raha eto Madagasikara.Vehivavy iray amin’ny telo (1/3) no tratran’ny herisetra ara-batana sy ara-moraly ary vehivavy iray amin’ny fito (1/7) no tratry ny herisetra ara-nofo, araka ny fanazavan’i Rabetaliana Rova, Tale Jeneralin’ny Ministeran’ny mponina, nandritra ny hetsika fampahafantarana ireo andraikitra ara-tsosialy ataon’ny orinasa Orange Madagasikara, ny 6 desambra 2024, teny amin’ny Gare Soarano. Nambarany fa efa manana fandaharan’asa ny ministeran’ny mponina amin’ny fanentanana amin’ny ady atao amin’ny herisetra, ao anatin’izany ny “masculinité positive” na fanentanana ny lehilahy hahatsapa fa mitovy zo aminy ny vehivavy ka tsy tokony hanaovana herisetra sady “tsy misy manamarina ny herisetra atao amin’ny olona iray”. Ao anatin’ny paikady hisorohana ny herisetra ihany koa ny fampiofanana ny ray aman-dreny hahay hanabe ny ankizy na “parentalité positive”. “Mety manana fahadisoana ilay olona niharan’ny herisetra fa tsy misy afaka manamarina fa noho izay antony izay no mahatonga nanao herisetra. Mila beazina ihany koa ny ray aman-dreny satria tsy nisy nianatra ho dada sy ny neny. Zava-misy ohatra rehefa teraka ilay zaza dia iza no hifoha amin’ny alina nefa samy te atory? Ho atomboka amin’ity taona ity [2024] io tetikasa io satria ao amin’ny ray aman-dreny no manomboka voalohany ny herisetra”, hoy ny Tale jeneralin’ny mponina. Nilaza izy fa teboka lehibe ho dinihina ihany koa ny lalàna momba fahazoan’ny lehilahy fotoana tsy iasana rehefa teraka ny vadiny (congé de paternité).
Fitaovana mahomby iarovana ny zon’ny vehivavy
Rehefa miresaka herisetra dia voatohitohina ny zo. Noho izany, fitaovana mahomby indrindra ahafahana miaro ny zon’ny vehivavy ny fifanarahana momba ny sata afrikanina ho an’ny zon’olombelona sy ny vahoaka mifandraika amin’ny zon’ny vehivavy na “Protocole de Maputo”. Tsy mitsahatra mampaneno lakolosy, manaitra ny fitondram-panjakana ireo firasaimonim-pirenena, toy ny Forum Génération Egalité (FGE) ny hankatoavana io fifanarahana io . “Tombony lehibe ho antsika ny fankatoavana ny Protocole de Maputo satria voasahana ao daholo ny zon’ny vehivavy”, hoy i Raparaoelina Tendry, mpikambana ao amin’ny FGE. Efa nanasonia fifanarahana i Madagasikara, ny volana febroary 2004, saingy tsy mbola nankatoa na nampihatra izany, 20 taona aty aoriana. Ahitana andalana 32 ny fifanarahana ary miresaka ny fiantohan’ny fanjakana ny zon’ny vehivavy. Voalaza ao amin’ny andininy faha-26, andalana faharoa fa manaiky ny fanjakana fa handray fepetra ilaina sy handrafitra tetibola mifandraika amin’izany filàna izany, ho fampiharana mahomby ireo zo voafaritra ao anatin’ny fifanarahana. Santionany amin’ireo zo ho arovana voalaza ao ny fiahiana ara-tsakafo, ny zon’ny vehivavy maty vady, ny fiarovana manokana ara-tsosialy ny vehivavy zokiolona, ny fiarovana manokana ny vehivavy manana fahasembanana, ny fiarovana ny zo amin’ny fahasalamana sy fanarahamaso ny fiainana ara-pananahana.
Lynda A.