“Tsy vitan’ny olombelona irery ny famonoana afo fa mila mampiasa fitaovana arak’izay azo atao, toy ny angidimby famonoana afo”, hoy i Razafimanandraibe Louis de Gonzague, Filoha Nasionalin’ny tambazotran’ny fokonolona miaro sy mitantana ny harena voajanahary (TAFO MIHAAVO). Nambarany fa maro ireo ala mikitroka tsy hay vonoan’olombelona intsony ny afo ka lasa mitono aina indray. Ankoatran’izany, sady mafana no misy ny rivotra ka tsy zaka intsony ny famonoana mivantana. Herinandro, tapa-bolana mamono afo nefa tsy mbola maty ihany. Nanao fanambarana ny fikambanana tarihany niaraka tamin’ny FANONGA FOKONOLONA, ny 10 janoary 2025 manoloana ny doro tanety sy doro ala mihatra amin’ireo faritra arovana eto Madagasikara. Miantso ireo sokajin’olona rehetra na miankina ara-panjakana na tsy miankina izy ireo mba hiara-hientana ami’ny fiarovana ny ala sisa tavela, hampiasa ny hery sy fitaovana rehetra hamonoana ny afo ary handray ny fepetra mifanaraka amin’izany izy ireo. « Manao antso avo, koka, anjomara, hazolava sy filazana ho ren-tany ho ren-danitra amin’ny mpisehatra rehetra miainga eny ifotony ka hatrany amin’ny Filohan’ny Repoblika fa potika sy rava ary lasa lavenona ny ala, ny harena voajanahary, ny karaza-javamananaina eto Madagasikara. Raharaha hikambanana ny fiarovana ny harena voajanahary ary entan-jaraina mora zaka”, hoy hatrany i Razafimanandraibe Louis de Gonzague.
Nivory ireo solontenam-pokonolona manerana ny faritra 23 izay mivondrona ao amin’ny TAFO MIHAAVO sy FANONGA FOKONOLONA ny 9 janoary 2025. Nanao tatitra ny zavamisy any amin’ny faritra arovana misy azy avy ireo. « Tsy ao Ranomafana sy Brickaville ihany no misy doro tanety sy doro ala », araka ny fanazavan’ny Filohan’ny TAFO MIHAAVO. Manamafy ny fikambanana fa ny fiaraha-mientan’ny rehetra sy ny fifampiresahana mivantana amin’ny eny ifotony no fomba iadiana amin’ny doro tanety sy ny doro ala. “Miainga amin’ny fifampiresahana no zavadehibe. Miara-mandray andraikitra ny any ifotony ka hatrany amin’ny Filohan’ny Repoblika fa tsy hoe mandray ny andraikitra ny any ifotony dia tsy mandray andraikitra ny any ambony na mandray ny andraikitra ny any ambony dia tsy mandray andraikitra ny any ifotony”, hoy izy. Nahitana trangan’afo maro ny volana desambra 2024 tamin’ny faritra arovana teto Madagasikara. Mbola ao anatin’ny tolona famonoana afo ao amin’ireo tebok’afo ao amin’ny valanjavaboahary Ranomafana ny mponina sy ny tomponandraikitra eny ifotony amin’izao fotoana izao, araka ny fampitam-baovao navoakan’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampnadrosoana lovainjafy tao amin’ny pejy Facebook, ny alin’ny 11 janoary 2025. Miara-misalahy amin’ny fanatanterahana izany ny mpitandro filaminana. Nahitana teboka afo ihany koa tao amin’ny faritra arovana Manombo (Farafangana) fa efa maty ny afo. Nisy firehetana ihany koa koa ny ala tao amin’ny valanjavaboahary Andohahela (faritra Anosy) vokatry ny fanaovana tavy.
Lynda A.