Fantatsika ve fa mandany fotoana avo 2 na 3 heny ny vehivavy raha mihoatra amin’ny lehilahy amin’ny fanaovana raharaha ao an-tokantrano? Anisany rafitra napetraky ny fiarahamonina eto Madagasikara fa anjara asan’ny vehivavy ny mikarakara tokantrano (mitaiza zaza, mahandro sakafo, manasa lamba, mampirin-trano, maka kitay, matsaka rano…).
Miteraka voka-dratsy ho an’ny vehivavy io tsy fitoviana amin’ny fizarana raharaha ao an-trano io: arerahana, raritsaina, tsy fahafahan’ny vehivavy mivoatra amin’ny lafim-piainana maro, toy ny asa, fisitrahana zo hianatra, tsy fisian’ny fotoana hialana sasatra…
Efa misy kosa anefa ireo tokantrano miezaka mizara io raharaha io eo amin’ny lahy sy ny vavy, manabe ny zanany lahy handray anjara amin’izay raharaha izay satria manomboka ao an-tokantrano ny miralenta ary ianarana dieny mbola kely.
Miresaka ny tantaran’ny fianakaviana iray mampihatra ny miralenta amin’ny fizarana raharaha ao an-trano ny fandaharana (podcast) novokarin’i Andriatsitonta Lynda, mpanao gazety ao amin’ny Journal Madagascar (www.journalmadagascar.com).
Nandrombaka ny laharana voalohany tamin’ny « concours de podcast féminin et engagé » io podcast io mitondra lohanteny hoe « miralenta ao an-tokantrano io ». Diary Sombiniaina, mpanao gazety ao amin’ny Studio Sifaka no faharoa ary Rakotozafy Francia, mpanao gazety ao amin’ny onjam-peo Oisis ny fahatelo. Nahazo « coup de cœur du jury » kosa i Ratsitoarivony Tahina Navalona, mpanao gazetin’ny Orange Actu.
Nikarakara ny fifaninanana ny tetikasa « À haute voix, paroles de femmes » izay tanterahan’ny Region Île de France sy ny Studio Sifaka ary kaominina Antananarivo renivohitra (CUA). Ho famporisihana ny mpanao gazety hamokatra fandaharana momba ny miralenta, hitatitra ny olana sy ny vahaolana momba ny tsy fitovian-jo eo amin’ny lahy fa indrindra hitondra ny feon’ny vehivavy no tanjona. Fitaovana entina mamokatra fandaharana no loka natolotra ireo mpandresy.
Marihina fa nampiofana mpanao gazety vehivavy am-polony momba ny miralenta sy ny famokarana podcast (fandaharana mety ho feo na horonantsary, azo jerena amin’ny internet amin’ny fotoana rehetra) ny tetikasa ny volana febroary. Nasaina namokatra podcast avy eo ireo mpanao gazety ireo ary nandray anjara tamin’ny fifaninanana.
Journal Madagascar
SARY:






































































