« Natao ambaninjavatra ny sehatry ny rano ny ala raha ny 15 taona lasa fotsiny no jerena”, hoy ny Vondron’ny Rano sy Ala sy ny mpiasa ao amin’ny fitantanan-draharahan’ny Ministera misahana ny Rano sy Ala, ny 12 oktobra 2025. Nambaran’izy ireo fa tsy nisy fametrahana ho laharam-pahamehana ny olombelona miasa. Tsy nisy « recrutement ». 300 monja ny teknisianin’ny ala amperin’asa eo anivon’ny ministera : olona iray misahana ala 27 000 ha. Noezahin’ireo fitondrana nifandimby notakomana amin’ny fomba maro samihafa : natambatra amin’ny ministera hafa, misy ireo « Corps » hafa sy Mpanao politika, eo koa ny fitsabahana amin’ny asan’ny « Corps des Eaux et Forêts ». « Miha maro ihany koa ireo tsindry mianjady ny sehatra: kolikoly, fandrahonana, teritery, kiantranoantrano, fisandohana andraikitra, fandripahana ireo atiala vokatry ny afo sy ny fitrandrahana tsy ara-dalana, sns…»
Sehatra mampidi-bola ny rano sy ala
Nohamafisin’izy ireo anefa fa anisan’ireo seha-pamokarana stratejika na sehatra mampidi-bola be ao amin’ny kitapom-bolampanjakana ny sehatry ny rano sy ny ala. Manandratra avo an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena noho ireo karazanjavamananaina sy ireo atiala mampiavaka ny Nosy. Iankinan’ny velontena sy filan’ireo vahoaka Malagasy maro sy ireo fihariana samihafa.
Ho fanarenana rafitra hitondrana ny sehatry ny Rano sy Ala dia mametraka ireto fotokevitra tsy azo ihodivirana manaraka ireto ny Vondron’ny Rano sy Ala sy ny mpiasa ao amin’ny fitantanan-draharahan’ny Ministera misahana ny Rano sy Ala:
- Ampiakarina amin’ny toerana sy lanja sahaza azy amin’ny maha seha-pamokarana stratejika, ny rang protocolaire misy ny sehatry ny Rano sy Ala. Olona avy ato anatin’ny vondron’ny rano sy Ala no tendrena ho Ministra sy Sekretera jeneraly ka ministera mahaleo tena na sekretram-panjakhana no takian’izany. Averina amin’ny Sehatry ny Rano sy Ala ireo anjara asa maha izy azy « fonctions régalienne de l’Administration Forestière » ;
- Tsy maintsy laniana tsy misy fepetra ny sata mifehy ny vondron’ny Rano sy Ala izay efa voarafitra ary efa eny anivon’ny CSFOP ;
- Takiana ny fampitomboana isa ireo Teknisianin’ny Rano sy Ala ary omena Postes Budgétaires isan-taona ho amin’izany. Laharam-pahamehana amin’izany ireo efa voahofana teo amin’ny Ivon-toeram-piofanana CNFTF kanefa tsy mbola noraisina ho mpiasa raikitra hatreto. Takiana ihany koa ny fampidirana Injeniera vaovao avy ao amin’ny fampianarana ambony momban’ny fambolena (ESSA) eny Ankatso.
- Takiana ny fanomezana lanja ireo rantsa-mangaika mifandraika amin’ny fitantanana maharitra ny ala: Ivontoerana fampiofanana Teknisianina, ny fiarovana ny ambiokan’ala, ny mpitantana ny faritra arovana ;
- Tsy maintsy omena anjara toerana malalaka ihany koa ny mpisehatra rehetra miasa sy mampiasa ny karazanjavamananaina sy ny atiala, hiara-miasa hanarina ary hampiakatra avo an’ity sehatra ity ;
- Takiana ny fampidirana ao anaty LFI 2026 sy CDMT 2026-2028, ny teti-bola hanatanterahana ireo fepetra fototra rehetra ireo.
Takian’izy ireo ny hanantaterahan’izay mpitondra ho avy eo ireo fotokevitra ireo.
Lynda A.






































































