Nanazava ny mahakasika ny fanakatonana ny “radio Jupiter” ny Sekretera jeneralin’ny (SG) Ministeran’ny Serasera. Efa nanarina ihany fa mbola tsy nety niova ny namana mpanao gazety Fernand Cello. Betsaka ny fanakorontanana nataony tany amin’ny faritra Ilakaka. Mihoam-pampana ny adalana nataony ary be dia be ny olona nametraka fitoriana azy ka tsy maintsy niroso tamin’ny fampisamborana azy ny mpitandro filaminana. Nitsaoka anefa ny tenany ka mbola karohina. Nanamafy i Guy Laurent RAMANAKAMONJY fa maro be ny fitoriana miampanga azy toy ny fanapotehana fiara an’olon-tsotra iray.
Tsy nahazo taratasy fahazoan-dalana ny radio Jupiter. “Tsy ara-dalana io onjam-peo io matoa nakatona”, hoy i SG.
Manana karatra matihanina maha mpanao gazety. “Nanao sonia ny karatra matihanina maha mpanao gazety an’ i Fernand Cello tokoa ny tenako saingy tsy anjaran’ny ministera no mamaritra ireo mpanao gazety tokony hahazo izany”. Olon-kafa avy any amin’ny sehatra tsy miankina no nanaiky na tsia ireo lisitra omen’ny holafitry ny mpanao gazety. Manilika ny rihatra any amin’ireto farany mahakasika ny fanomezana karatra maha mpanao gazety ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Serasera, Guy Laurent RAMANAKAMONJY.