Namory vahoaka tsy nahazoana alalana, nangalatra ny basin’ny mpitandro filaminana, nandoro tanety, nanohitohina ny filaminam-bahoaka. Ireo no niampangana an’ny Filoha lefitry ny antoko MAPAR, Augustin ANDRIAMANANORO ka nahatonga azy naiditra am-ponja vonjimaika. Nilaza anefa ny MAPAR fa tsy marina avokoa ireo fiampangana ireo. “Antsonjay fotsiny no ataon’ny fanjakana”, hoy i Christine RAZANAMAHASOA.
Nanao fanambarana ny MAPAR manoloana ny fanagadrana sy fanaovana haza lambo ny namany. “Manameloka tanteraka ny fampidirana am-ponja an’i Augustin ANDRIAMANANORO izahay”. Nanamafy ihany koa ny antoko mpanara-dia ny prezida Andry RAJOELINA, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety fa fiantsoana ho any amin’ny tsy filaminana ary mandika ny lalan’ny fampihavanam-pirenena vao nankatoavina ny fanamelohana ny namany. “Ny mamo indray no miantso polisy”.