Miha betsaka ny tanora malagasy misafidy hanohy ny fianarany any ivelany, araka ny fanadihadiana nataon’ny Mada Jeune, mpikarakara hetsika momba ny fampianarana ambony. Nambaran’i Rajaonah Haingo fa vehivavy no betsaka indrindra. Araka ny fanadihadiana nataon’ny Mada Jeune tamin’ireo “salon des études internationales” andiany 14 teo aloha nokarakarainy dia antony mahatonga ny tanora malagasy mandranto fianarana any amin’ny firenen-kafa ny fahazoana “asa tsara kokoa”, ny fisian’ny lalam-piofanana tsy hita eto Madagasikara, ny fahafahana mampihatra avy hatrany ny fianarana fa tsy mijanona “théorie” fotsiny fa indrindra ny fahitana soa fanararaotra hafa sy fahafantarana kolontsaina hafa. Nanomboka ny alarobia 5 martsa 2025 eny amin’ny Novotel Alarobia Ivandry ny andiany faha-15 amin’ny “salon des études internationales” ary hifarana ny alakamisy 6 martsa 2025. Trano heva 30 no mandray anjara amin’ny hetsika izay ahitana oniversite avy any Frantsa, Canada, Maurice, Inde. Misy firenena vaovao ihany koa mandray anjara toa an’i Dubai, Maroc, Singapour, Thailande, Malaisie”. Ankoatra ny fampahafantarana eny amin’ny trano heva dia misy ny famelabelaran-kevitra hanoroana ny mpianatra ny soa fanararaotra amin’ireo oniversite any Eraopa, Afrique, Canada. Ho resahana ny ny alakamisy 6 martsa amin’ny 4 ora hariva ny fomba ahitana vatsim-pianarana. Misokatra amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 5 ora hariva ny hetsika. 5000 Ariary ny saram-pidirana. Ho fanampiana ny mpianatra amin’ny fisafidianana ireo firenena azo andehanana sy ireo oniveriste mandray mpianatra malagasy, ho fampahafantarana ny dingana arahina, ny antontan-taratasy sy ny vola ilaina, toy ny fandaniana amin’ny fikarakarana antontan-taratasy, ny saram-pianarana, ny fandaniana rehefa hianatra toy ny hofan-trano, ny sakafo, saram-pitaterana no antom-pisian’ity hetsika ity.
Lynda A.