Niamboho ny talata 4 martsa 2025 i Dadilahy Rabony na i Ratsimbazafy Boniface. Andry iankinan’ny mponina ao amin’ny kaominina Ampangabe, distrikan’i Lalangiana, 45 km miala an’i Fianarantsoa izy. Toerana mbola rakotra ala sy manan-karena biby sy zava-maniry ao amin’ity kaominina ity. Anisany miantoka ny fiarovana ny ala, indrindra ny ala voanjanahary na ala fady antsoina hoe “Varona” ao Ampangabe ny fisian’ i Dadilahy Rabony.
Efa ho 20 taona mahery izy no nitsabo ny mponina tamin’ny alalan’ny raokandro malagasy ka ao amin’ny ala fady no alaina ireo zava-maniry fatao fanafody. Saro-piaro amin’io ala voanjahary io ny mponina ao Ampangabe noho ny fisian’ireo zava-maniry fatao fanafody ka ho fitantanana maharitra ny ala no antony namaritana azy ho ala fady. “Tamin’ny tsy mbola nisy ny dokotera sy farmasia dia tao ny mponina no naka fanafody hitsaboana tena”, araka ny fanazavan’i Rafaralahy Fabien, Filohan’ny Vondron’Olona Ifotony (VOI) Mitsinjo, ao Ampangabe. Mandeha an-tongotra 45 minitra miala io ala fady io no misy ny riandranon’Andriamalaza, toerana manan-kasina ao Ampangabe fanaovana fangataham-pitahiana sy fidiovana. Dadilahy Rabony no miandraikitra ny fomba amam-panao atao eny. Ny rano avy amin’ireo ala ao amin’ny faritra arovana Tandavanala Ambositra Vondrozo (COFAV) no mikoriana ao amin’ity riandrano ity. “Avy amin’io ala sy rano io no hery ampiasaiko hanasoavako ny mpiara-belona. Izay no andraikitro amin’ny fiarovana ny ala eto Ampangabe”, hoy i Dadilahy Rabony, tamin’ny fahavelony.
Mpanakanto ihany koa i Ratsimbazafy Boniface. Manan-talenta tokoa izy amin’ny fitendrena angorodao. Izy no nitendry ny mozika lafika nampiasaina tamin’ny horonantsary fanadihadiana momba ny “tanora maherifo mpiaro ny karaza-javamananaina”, nataon’i Lynda Andriatsitonta, mpano gazety eto amin’ny Journal Madagascar (www.journalmadagascar.com), tamin’ny alalan’ny #Bourse de reportage #Médiapourlesairesprotégées 2024 (andiany faharoa), nokarakarain’ny Fondation pour les Aires Protégées de Madagascar (#FAPBM).https://www.journalmadagascar.com/fiarovana-ny-zavaboahary-manao-vy-very-ny-ainy-ireo-tanora-ao-aminny-cofav/
Ho alevina ny zoma 7 martsa 2025, ao Ampangabe i Dadilahy Rabony.
Izahay eto amin’ny Journal Madagascar (www.journalmadagascar.com) dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana, ny mponina ao Ampangabe.
Journal Madagascar