Mitana ny laharana voalohany amin’ireo homamiadana mahazo ny vehivavy eto Madagasikara ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza. Araka ny tarehimarika navoakan’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana ny fahasalamamana na OMS sy ny Observatoire mondial du cancer tamin’ny taona 2022, mihoatra ny 4.000 ny tranga vaovao voarakitra, ary manodidina ny 2.690 no namoy ny ainy. Anisan’ny vahaolana mahomby hisorohana izany aretina izany ny fanaovana vaksiny anti-HPV, izay miaro amin’ny tsimokaretina fototry ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza.

Tamin’ny volana desambra 2025, nanatanteraka hetsika fanaovam-baksiny faobe ho fisorohana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka, toy ny OMS, GAVI – l’Alliance du vaccin, UNICEF. Tovovavy 9 ka hatramin’ny 14 taona no nisitraka izany teny anivon’ny sekoly sy tobim-pahasalamana miankina amin’ny fanjakana (CSB) manerana ny nosy.
Anisany nanao vaksiny anti-HPV i Harimalala Nantsoina, tovovavy 11 taona monina ao amin’ny kaominina Ankadinondry Sakay, distrikan’i Tsiroanomandidy. Teny amin’ny CSBI Diavolana izy no nanao vaksiny. « Nisy mpanentana ny fahasalamana taty an-tananay, henonay tao amin’ny radio koa fa misy fanaovam-baksiny ho firsorohana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza. Matahotra aho sao dia harary any aoriana any dia nanao an’ilay vaksiny”, hoy i Nantsoina. Nanaraka azy ny reniny tamin’izy nanao vaksiny. “Natahotra fotsiny aho hoe sao dia voan’izany homadianan’ny vozon’ny tranon-jaza izany ny zanako indray androany dia izay nahatonga ahy resy lahatra nampanao azy ny vaksiny anti-HPV”, hoy ramatoa Hanitry Ny Hoavy Josephine.
Fa maninona no ankizy 9 ka hatramin’ny 14 taona no atao vaksiny?

Ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza dia vokatry ny tsimokaretina antsoina hoe human papilloma virus (HPV), izay mifindra amin’ny alalan’ny firaisana ara-nofo, araka ny fanazavan’i dokotera Liva Rakotobe, ao amin’ny Centre Kintana Ambatomena. Ny fanaovana vaksiny no fisorohana voalohany amin’ity aretina ity. “Misy karazany roa ny fisorohana azontsika atao: voalohany izany dia tsy hihaonanan’ilay vehivavy mihitsy amin’ilay tsimokaretina. Misy amin’izao fotoana izao ny vaksiny anti- HPV. Teto Madagasikara nampidirintsika io tamin’ny volana desambra 2025. Nisy herinandro nanaovana io vaksiny io ho an’ny tovovavy tsy mbola nanao firaisana ara-nofo satria ilay notenenetsika teo izay tsy hihaonan’ilay vehivavy amin’ilay tsimokaretina mihitsy no atao. Vehivavy tsy nanao an’izay firaisana ara-nofo izay dia eo anelanelan’ny 9 ka hatramin’ny14 taona”, hoy i Dr Liva Rakotobe. Nanamafy izy fa ho an’ny tsy mbola nanao firaisana ara-nofo dia avo be mihitsy ny tahan’ny fiarovana.
Hafatra avy amin’ny mpitsabo manoloana ny tsaho
anoloana ny ahiahy sy ny tsaho miely eny anivon’ny ray aman-dreny dia manentana azy ireo ny mpitsabo hanatona tobim-pahasalamana raha “mbola misy zavatra mampisalasala, tiana ho fantarina hanala ilay ahiahy, tsahotsaho rehetra fa hanome fanazavana amin’ny antsipirainy ny tobim-pahasalamana. “Araka noteneniko teo dia tena fisorohana ny fanaovana vaksiny. Ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza tsinona tsy amin’izao fahatanoran’ny ankizy izao no mipoitra fa io HPV io raha tafiditra, mipetraka ao amin’ny vozon’ny tranon-jaza aman-taonany izy. Afaka 10 na 15 taona, miankina amin’ny tsirairay, ny fomba fiainany, ny fitondran-tenany no ipoitrany amin’izay. Any aoriana any izany no mipoitra izany hoe efa lehibe indray io zanakao io. Anisany andraikitsika ray aman-dreny ho fitsonjovana ny zanantsika ny fanaovana vaksiny amin’izao fotooana izao”, hoy i Dr Liva Rakotobe.
Tovovavy 1.756.164 no vita vaksiny anti- HPV nandritra fanaovam-baksiny faobe, notanterahina ny 8 ka hatrmain’ny 12 desambra 2025. Ankehitriny, tafiditra ao anatin’ny vaksiny fanao andavanandro eto Madagasikara ny vaksiny anti-HPV. Ankizivavy 9 taona no kendrena hanao izany eny anivon’ireo tobim-pahasalamana miankina amin’ny fanjakana sy ireo tobim-pahasalamana tsy miankina fa mahazo vaksiny avy min’ny ministeran’ny fahsalamana. Maimaimpoana ny fanaovana azy.
Lynda A.






































































