“Anisany rafitra nitondra fahombiazana ho an’ny fiarahamonina malagasy ny fokonolona satria na tain’omby mivadika aza tsy misy maka noho ny fanantanterahana ny dinam-pokonolona”, hoy Razafimanandraibe Louis de Gonzague, Filoha nasionalin’ny Tafo Mihaavo, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, ny 15 oktobra 2025, teny Amparibe.
Nitondra ny heviny momba ny raharaham-pirenena ankehitriny ity tambazotra mampivondrona ireo vondron’olona ifotony sy fokonolona miaro ny harena voanjanahary, ny karajavamananaina manerana ny faritra 23 ity sy ny Fanonga Fokonolona.
Manamafy sy mitaky ny fametrahana ny rafitra manome hasina ny fokonolona toy ny efa nisy hatramin’izay teo amin’ny fiarahamonina Malagasy izy ireo.
“Mino sy mahatoky izahay fa hitondra antsika any amin’ny fampandrosoana lovainjafy izany rafitra izany, miainga avy amin’ny harena voanjanahary miavosa ananantsika na an-tanety na an-dranomasina na an-kibon’ny tany”.
Fomba fiasa hitondrana an’i Madagasikara
Noho izany, miainga amin’ny fanapahankevitry ny fokonolona evy eny ifotony ny rafitra apetraka. “Fidiana ohatra ny filoham-pokontany fa tsy tendrena. Mazava ho azy fa ny eo anivon’ny kaominina dia mifameno ny mpanapakevitra sy ny mpanantateraka. Ampiharina eo anivon’ny faritra, ka hatramin’ny Filoham-pirenena, governemanta io fomba fiasa io”, hoy Razafimanandraibe Louis de Gonzague.
Tafiditra ao anatin’izay ny fanovana ny lalam-panorenana “miainga avy eny ifotony”. “Lalam-panorenana eto Madagasikara raha ny fijerinay azy dia mbola lalàna laharam-pamehana nibahana tamin’ny fanjanahantany. Isika Malagasy anefa nanana an’izay fifampitondrana teny era sy ifampierana izay. Ny rafitra miainga amin’ny fokonolona dia mitondra ho an’ny tombontsoa iombonana sy iotazan’ny Malagasy ireo harem-pirenena tsy hita sesehana ary higoaka izany ny Malagasy tompontany”, hoy izy.
Santionany amin’ny fanovana rafitra voizin’izy ireo ihany koa ny fanomezana lanja ireo kolontsaina malagasy mitondra fampivoarana toy ny fitsaboana nentim-paharazana. Eo ihany koa fanavaozana ny rafi-panabeazana.
Efa hatramin’ny 2012 ireto fikambanana ireto no nanao adidisika ny rafitra miainga avy any ifotony.
Manameloka ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena sy ny fananana iombonana indrindra amin’izao vanim-potoana sarotra diavin’ny firenena izao ihany koa izy ireo. Manentana ny andrimasom-pokonolona sy ny manam-pahefana mba hanaramaso izany.
Lynda A.






































































