Lasa ho ambon’ny Ben’ny Tanana ny mpitantana volan’ny kaominina. Niova ny fomba fitantanam-bolan’ny kaominina na ambanivohitra na an-drenivohitra. Ny ministeran’ny vola sy ny fitantanam-bola indray no manendry ny mpitantana ny vola ( principal comptable) kanefa ny kaominina ihany no mandoa ny karamany. “Mirona any amin’ny tsy fampahatokisana izao fanavaozana izao na dia fanatsarana aza no tanjon’ny fanjakana foibe”, hoy ny Ben’ny Tanana an’ny kaominina ambanivohitra Ampitatafika, Rado Ramparaoelina. Nilaza ihany koa ny tenany fa tsy hahavita ny fandaharan’asa nampanantenainy tamin’ny vahoaka ny Ben’ny Tanana satria ho lany andro amin’ny fanarahana dingana maro be amin’ny famoaham-bola. Miandry ny fanapahan-kevitry ny “principal comptable” ny famoahana vola.
La culture urbaine malgache s’apprête à vivre un moment fort. Le samedi 31 mai 2025, à partir de midi, le...
Read more