Hanomboka ny 29 septambra ka hatramin’ny 02 oktobra 2022 ao amin’ny kianajan’i Barea Mahamasina ny Grande Braderie de Madagascar . Mivoha amin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny 6 ora hariva ny hetsika. Nohamafisina ny fandriam-pahalemana mandritra ny efatra andro, araka ny fanazavan’ny mpikarakara. Nahafantarana ny Grande Braderie hatramin’izay ny fihenam-bidy amin’ireo entana amidy. “Tsapanay fa tena ilaina amin’izao fiakaran’ny vidim-piainana izao ny Grande Braderie . Tena ilaina ny fihenam-bidy. Manome ary vonona ireo mpandray anjara hanome fihenam-bidy 15 % fara-fahakeliny amin’ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro ”, hoy Ramanantsoa Harilala, tomponandrakitrin’ny Mada Vision. Karazan’entana toy ny sakafo, akanjo, kiraro, fikojakojana ny endrika amam-bika, vokatra natoraly sy ny maro hafa amin’ny vidiny mifanaraka amin’ny fahefa-mividy ny tsirairay no ho hita eny an-toerana. 2000 Ariary ny vidim-pidirana, araka ny fanazavan’ny mpikarakara hatrany.
Lynda A.