Tsy hihemotra ny vovonana Forces de Changement amin’ny fanatanterahana ny famoriam-bahoaka rahampitso 22 Aogositra 2017. Mbola tsy namaly an-tsoratra ny fangatahana fahazoan-dalana ny eo anivon’ny Prefektiora hatramin’izao.”Miandry ny valin-tenin’i Prefet izahay na eny na tsia. Raha tsy manaiky ny hetsika izay ataonay izy dia tsy maintsy mamaly izany an-taratasy », hoy ny mpitondra tenin’ny vovonana, Maharavo RATOLONJANARY (Doudou).
Raha toa ka mamoaka didy milaza ny fandavana ny fanatanterahana hetsika ny Prefektiora, hametraka taratasy fitoriana eny amin’ny fitsarana ifanaovana amin’ny fanjakana (tribunal administratif) ny Forces de Changement handrava izany. « Araka ny lalana 2001-025, andininy faha-69, miato ny didy mivoaka rehefa tafiditra eny anivon’ny fitsarana ifanaovana amin’ny fanjakana ny taratasy fangatahana fandravana didy ».
Eny amin’ny kianja Mitafo Mahamasina no hanaovana ny hetsika.