Anisan’ireo kandida amin’ny fifidianana ny solontenan’ny mpanao gazety ho mpikambana ao amin’ny Vaomiera Mahaleo tena misahana ny Fifidianana (CENI) i Rakotonirina Gérard.
Mpanao gazety efa manana traikefa aman-taonany maro tamin’ny asa fanaovan-gazety.
Filohan’ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara (OJM) teo aloha (2014-2021)
Manana traikefa amin’ny resaka fifidianana satria ansain’ireo “facilitateur” tamin’ireo atrikasa ao anatin’ny programe BRIDGE (Building Resources in Democracy, Governance and Elections)
Vina:
“Amin’ny alalan’ny traikefa ananako sy ny fifandraisako amin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety, ny fikambanan’ny fiarahamonim-pirenena ary ireo mpiara-miombon’antoka isan-karazany, dia heveriko ho fotoana iray ahafahako mandray anjara amin’ny fanatsarana ny asan’ny CENI ny fidirako ho mpikambana ao aminy, indrindra amin’ny fanamafisana ny fahombiazan’ny asany sy ny famerenana ny fitokisan’ny olom-pirenena mpifidy”, hoy i Rakotinirina Gérard.
Ho fanatanterahana izany dia ireto ny soso-kevitra entiko:
Fanamafisana ny fahaleovantenan’ny CENI sy ny tsy fitanilany, tsy misy fitsabahan’ny any ivelany amin’ny fanapahan-kevitra raisiny, mba hamerenana ny fitokisan’ny olom-pirenena sy ireo mpiara-miombon’antoka rehetra (antoko politika, fikambanana sivily, sns).
Fanatsarana ny mangarahara amin’ny fizotran’ny fifidianana, mba hahafahan’ny olom-pirenena manaraka sy mahatakatra tsara ny dingana rehetra. Tokony ho malalaka sy tsy misy sakana ny fahazoana vaovao.
Fampiroboroboana ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena, indrindra ny tanora, ny vehivavy ary ireo vondrona marefo, amin’ny alalan’ny fanentanana sy fampahafantarana mandritra ny dingana rehetra amin’ny fifidianana, amin’ny alalan’ny fitaovam-pifandraisana rehetra.
Fanamafisana ny fahaizan’ny CENI hiatrehana ireo fanamby ankehitriny sy ho avy (fitaovana, kojakoja, teknolojia vaovao). Anisan’izany ny fanatsarana ny lafiny ara-teknolojia (toy ny ivon-toeram-pikarakarana angon-drakitra eny anivon’ny distrika – CID), ny fanaraha-maso ny fanoratana biometrika ataon’ny Ministeran’ny Atitany, ary ny fanomezana fitaovana sahaza ho an’ireo rafitra eny ifotony (CEP, CER, CED, CEC, ary ireo mpiasan’ny fifidianana).
“Mirotsaka amin’ity fifidianana ity aho noho ny fahatsapako ny traikefa hananako sy ny finiavana hanatsarana hatrany ny fanjakana tsara tantanana ary ny fifidianana ho eken’ny rehetra. Ny traikefa efa hananana, ny fifanomezan-tanana sy fifampatokisana efa nitoetra ela .Manentana antsika mpanao gazety mpifidy hisafidy ny tenako amin’io fifidianana io
”, hoy i hatrany izy
Datim-pifidianana: 10 aprily 2026
Mpifidy: 42, saingy lasa 41 noho ny fisian’ny kandida iray ao anatin’ireo mpifidy ka tsy afaka mandatsa-bato. Ireto avy ireo sokajy mandrafitra ny mpifidy:
– Filohan’ny Holafitra teo aloha miisa 4
-Mpikambana CTOJM Nasionaly miisa 7
– Mpandrindra isam-paritany miisa 6
-Mpandrindra isam-paritra miisa 24
Kandidà nekena hiatrika ny fifidianana :
- Marc Antoine
- Rakotoarisoa Anitra
- Rabekijana Felix
- Ramiliantarintsoa Tojo
- Rakotonirina Gerard
- Randrianindriana Zoelson
Hotanterahina ny zoma 10 Aprily 2026, manomboka amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 2 ora tolakandro, amin’ny alalan’ny SMS ny fifidianana. Amin’io andro io ihany no hampahafantarina ny laharan-tariby handefasana ny vato.
Journal Madagascar




































































