“Afaka ianao ihany dia mahavita manondraka ny tanimbolinao, na firy na firy hektara,” hoy i Razabarison Andoniaina Voahary, tovovavy vao erotrerony sady iray amin’ireo mpikambana nanangana ny tetikasa SCAI (Système de Champ Auto-Irrigué). Tetikasa novolavolain’mpianatra miisa efatra, taona voalohany ao amin’ny Ecole Supérieure Polytechnique d’Antananarivo (ESPA), eny Vontovorona, izany.
Fitaovana manondraka voly any an-tsaha na tanimboly mandeha ho azy, tsy mila olona mandraraka rano isan’andro ny SCAI. “Vao modely voalohany ity nataonay ity ka amin’ny alalan’ny solosaina no hibaikoana ireo fitaovana hanondraka ny tanimboly. Manana vina izahay mba ho afaka kaomandiana amin’ny alalan’ny finday izany amin’ny manaraka,” hoy hatrany i Andoniaina Voahary, nandritra ny fampirantiana ny voka-pikarohan’izy ireo tamin’ny hetsika Electronics Days 9.0, notanterahina ny 22 sy 23 Aogositra 2025, teny amin’ny Orange Digital Center, Gare Soarano.
Manohana ny tanora amin’ny lafiny nomerika
Nokarakarain’ny Polytechnician Electronics Engineering Collaboration (PEEC), fikambanan’ny mpianatra eny amin’ny ESPA, ny Electronics Days. Izy io dia hetsika natao hampirantiana ireo voka-pikarohana nataon’ny mpianatra amin’ny sampam-pampianarana Électronique. Tetikasa miisa 20 no nampirantiana nandritra ny roa andro.
“Manohana hetsika tahaka izao ny Orange satria soa fanararaotra ho an’ny tanora Malagasy ny nomerika. Manohana ny tanora izahay mba hahafahan’izy ireo manatanteraka ny faniriany sy mandray anjara amin’ny fampiroboroboana ny nomerika eto Madagasikara,” hoy i Fabrice André, Filoha Tale Jeneralin’ny Orange Madagasikara.
Manatsara ny vokatra
Anisan’ireo fitaovana ilaina amin’ny fanamboarana ilay rafitra fanondrahana voly mandeha ho azy ny fitoeran-drano lehibe, fatsona mitondra rano mankany amin’ny voly, fitaovana mamantatra ny habetsahan’ny orana (capteur de pluie) ka raha betsaka ny orana mirotsaka dia mihena ny fatran’ny rano alefa any an-tanimboly na tsy miato aloha ny fanondrahana. Mandeha amin’ny herinaratra ilay rafitra, ka afaka ampiasaina azy ny angovo azo avy amin’ny masoandro.
Nambaran’i Andriamanantsoa Tokiniaina Andry, lehiben’ny tetikasa SCAI, fa samy manana ny fatran-drano ilainy ny voly tsirairay, ka efa mahafantatra izany ilay rafitra. “Manampy ny tantsaha hanondraka ara-dalàna ny voliny ny fitaovana novokarinay. Hampiakatra ny taham-pamokarana izany satria mahazo rano ara-potoana, ampy, ary ilaina ny voly. Mampihena ny fampiasam-batana, ny fotoana lany, ary ny olona ilaina ihany koa,” hoy izy nanazava.
Araka ny fanazavan’i Andoniaina Voahary, miankina amin’ny zava-misy eny an-toerana ny saram-pananganana azy. “Somary lafolafo amin’ny voalohany, fa aleo lany be amin’ny fanombohana dia tsara vokatra,” hoy izy. Manome fiofanana amin’ny fampiasana ny fitaovana izy ireo, ary miara-miasa amin’ny manampahaizana momba ny fambolena amin’ny fanatanterahana izany.
Lynda A.







































































