Nibaribary nandritra ny fivoriana farany notontosaina teny Andavamamba fa be dia be ireo te ho lohany, mikambana ao amin’ny Forces de Changement. Hitaky ny fanesorana ny Filoham-pirenena Hery RAJAONARIMAMPIANINA no tanjona kanefa teraka sahady ny tsy fitovian-kevitra amin’ireo mpanao politika ao anatiny.
Ao no te hanao amboletra hanala ny Filoham-pirenena. Nambaran’ny Alain ANDRIAMISEZA fa tsy azo leferina intsony ny fitantanan’ ny Filohan’ny Repoblika sy ny HVM mpanara-dia azy satria tsy mahavita azy. Nilaza anefa i Doudou izay anisany namorona ny Forces de Changement fa ilaina ny fanesorana ny Filoha Malagasy saingy tsy amin’ny alalan’ny ra mandriaka kosa no hanaovana izany.
Noho izany, hisy indray ny fivoriana handaminana ny raharaha anatiny ny fikambanana.