Anisany nandrombaka ny loka tamin’ny fifaninana tetikasa karakarain’ny Youth First ny Plastishare. Tetikasa mifantoka amin’ny fanodinana ireo tavoahangy vita amin’ny plastika ho lasa akora hafa izy ity. Ankoatra ny famoronana asa dia tanjon’ny tetikasa ihany koa ny fiarovana ny tontolo iainana. Tanora zazavavy efatra no niara-niketrika ka nahavita nanamboatra “rideaux, boites à bijoux, abat-jour…” nambaran’i Valisoa RAKOTOMINO, tompon’ny tetikasa Plastishare, fa hatramin’ny sarona tavoahangy dia azo ampiasaina hanamboarana zavatra hafa. Miara-miasa amin’ny akan’ny marenina (AKAMA) izy ireto ka ny vola azo avy amin’ny famarotana ny vokatra dia hanampiana ny akany. “Isaky ny telo volana izahay no mivarotra ny vokatra ary amin’ny ray aman-dreniny ao amin’ny akany ihany”, hoy i Narindra ANDRIMANAMAMONJY.
Après deux heures de délibération, le jury de la Bourse Yavarhoussen–INHA a distingué trois lauréats ex æquo pour sa sixième...
Read more







































































