Sahirana ny ankamaroan’ny tanora misafidy ny lalam-piofanana ho ratoviny aorian’ny bakalorea. Mahatsapa ho « diso filière » aza indraindray eny am-panohizana ny fianarana ambaratonga ambony. Nanokana toerana iray ahafahana manoro ny mpianatra vao afaka bakalorea na mbola te hanohy ny fianarany amin’ny fisafidianana ny asa sy ny lalam-piofanana mety aminy ny Mada Jeune mandritra ny « Salon des études supérieures », andiany faha-22. Nanomboka ny 02 septambra 2025 ny hetsika ary hitohy ny 03 septambra 2025, eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Ny ONG HARI (Hevitra Atambatra Rehareha Iombonana) no mandray ireo mpianatra maniry ny ahafantatra ny asa sy ny lalam-piofanana mety aminy. « Manao orientation scolaire ny ONG HARI ho fampihenana ny tsy fahombiazana an-tsekoly. Manomboka amin’ny fanampiana ny mpianatra hahay hisafidy ny asa mety aminy ny torohay omenay, izay vao misafidy ny lalam-piofanana ho rantovina eny amin’ny oniveriste. Tsy afaka misafidy ny asa tianao ianao sy hainao ianao raha tsy mahafantatra ny tenanao dia izay no ilaina ny orientation scolaire », hoy Randrianarijaona Cynthia, Tale mpanatanteraka mpisolo toerana ny ONG HARI.
Ahoana ny ahafantarana ny asa mety amin’ny olona iray ?
Fomba ahafantarana izany ny fanaovana fitsapana “R.I.A.S.E.C” na typologie de Holland. Modely hisokajiana olona arakaraka ny karazana toetra sy ny asa mety aminy, natsangan’i John L.Holland, manam-pahaizana ara-tsaina amerikanina ny “test d’orientation R.I.A.S.E.C”. Mametraka ity modely ity fa mifanaraka amin’ny toetra ny asa tokony ataon’ny olona iray. “Ho mora kokoa ny misafidy ny asa sy ny lalam-piofanana mifanaraka aminao raha mahafantatra ny toetranao”.
Misy karazana olona enina (6) no voafaritry ny R.I.A.S.E.C ka ny R dia midika ho “Réaliste” na olona tia mampiasa ny tanana sy ny vatana: tia manamboatra fitaovana, manao fanatanjahatena… Midika Investigateur ny I na olona tia mandinika, mikaroka, mamaha olana, manao fanandramana, liana amin’ny siansa. Midika ho Artistique ny A na olona tia mamorona toy ny mamorona zavakanto, sary, soratra, maneho hevitra amin’ny fomba tsy mahazatra. Social kosa ny S na olona tia mampianatra sy manampy: tia miara-miasa amin’ny olona, manampy, mandray andraikitra ara-piarahamonina, ny olona indray no tiany kokoa noho ny tenany, tia manome maimaimpoana. Entrepreneur (E) dia olona tia mitarika sy mandresy lahatra: mivarotra, miteny amin’ny vahoaka, mandamina tetikasa, ita manapa-kevitra. Conventionnel ny C na olona tia fandaminana sy rafitra mazava: tia mandamina, manaraka fitsipika, mitahiry antontan-taratasy, manao kaonty.
Mety hanana karazana toetra telo na efatra na mihoatra an’izay ny olona iray. “Arakaraka faamalian’ny mpianatra ny toetra manjaka kokoz no hanoroana azy ny asa mety aminy sy ny fianarana tokony ho ratoviny”, hoy Randrianarijaona Cynthia.
Ireo karazana asa mifanaraka amin’ny toetra hananana
Samy manana ny asa mifanaraka aminy ireo toetra ireo. Ny asa mety amin’ny Réaliste ohatra ny mpanao zaridaina, mpanao mofomamy, mpamporona firavaka, ny asa rehetra momba fanamboarana toy fanamboarana trano sy fampiasana milina…Asa mety aminy Investigateur indray ny mpampianatr, mpikaroka, injeniera, mpitsabo, développeuer web, mpahay toekarena. Mey amin’ny Artisitique kosa ny mpanoratra, mpitendry zava-maneno, mpamorona (lamaody, firavaka), paka sary, mpampihaingo, designer,graphiste…Ny asa ho an’ny Social: assistante sociale, commercial, barman, restaurateur, psychologue, mpampianatra, mpampiofana, mpitsabo, infirmier, asa momba nymaha olona (ressources humaines)… Ho an’ny karazana olona ao anatin’ny sokajy Entrepreneur dia ny Manager, mpitantana orinasa, mpandraharaha, mpamorona orinasal, mpitantana tetikasa, mpanao politika, mpisolo vava no asa mety aminy. Farany, ny asa mety ho an’ny Conventionnel dia comptable, assistant administratif, secrétaire, juriste, polisy, agent de sécurité, contrôleur de gestion…
Manao fitsapana R.I.A.S.E.C, ahafahana mamantatra ny asa sy lalam-piofanana mifanaraka amin’izay ny ONG HARI mandritra ny « Salon des études supérieures » karakarain’ny Mada Jeune. Oniversite tsy miankina, ivon-toeram-pampiofanan miisa 80 no mandray anjara amin’ny hetsika, mandritra roa andro, mampahafantatra ny lalam-piofanana sy ny antontan-taratasy ilaina ary ny saram-pianarana ao amin’izy ireo.
Lynda A.







































































