Nambaran’ny vaomiera misahana ny fanomezana taratasy fanamarinana momba ny famongorana ny lefakozatra eto Afrika (CRCA) ny 21 jona 2018, tany Abuja, Nigéria tamin’ny fomba ofisialy fa fongotra tanteraka ny aretina lefakozatra eto Madagasikara. Vokatry ny fiarahamientan’ny mpiantsehatra amin’ny lafiny fahasalamana toy ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana (OMS) sy ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny alalan’ny ekipan’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka no antony nandresena tamin’ny ady natao tamin’ny lefakozatra. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha izany ny alahady 24 jona 2018.
« Fandresena lehibe ho an’ny vahoaka Malagasy manontolo mihitsy izao satria resintsika ny aretina lefakozatra ary tratra ny tanjona dia ny hoe : faramandimby lavitry ny aretina lefakozatra. Natao ho vaindohan-draharaha hatrany ny fanatsarana ny sehatry ny fahasalamana ary tsy mikely soroka ny fitondram-panjakana hanatsara ny fiainan’ny vahoaka mba hahatongavany amin’ny tena fisandratany », hoy ny Filohampirenena Hery Rajaonarimampianina. Hetsika fanaovam-baksiny 13 no naantao nanomboka ny 2014 ka hatramin’ny volana aprily 2018. Mialoha nirosoan’i Madagasikara tamin’ny fanadinana, dingana maro no natao mba hanamporofoana fa fongotra ny lefakozatra. Rehefa voaangona daholo ny antontan-taratasy nialaina rehetra dia nojeren’ny manam-pahaizana, solontenan’ny CRCA izany.






































































