ZANADRANAVALONA ANOSIMANJAKA: “Ny faha-04 ny volana jolay ny taom-baovao Malagasy fa tsy 09 sy 10 Martsa izany”.

Ho an’ny Fikambanan’ny Zanadranavalona Anosimanjaka, tsy mifanaraka amin’ny fanisan’andro nodimbiasana tamin’ny Abib ny famaritana fa ny 09 sy 10 Martsa ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy. “Ny 04 jolay amin’ny 02 ora sy sasany no izy”, hoy Arima RABESATA, mpahay teti-andro sady nanoratra ny boky Alimanaka. Nohamafisin’ny Filohan’ny Fikambanana, Alain RAVELONARIVO, fa mamitaka ny Malagasy noho izany ireo fikambanana milaza fa ny 09 sy 10 Martsa no atao hoe: “Alahamady”.

Mifototra ara-tantara ny famaritana ny taom-baovao Malagasy. “Tsy afa-miala amin’ny vanim-potoanan’ny Ramadany ny fankalazana io fety Malagasy io satria mitovy amin’ny fanisan’andron’ny silamo ny kalandary Malagasy”, araka ny fanazavany. Manaporofo fa manodidina ny voalohan-dohan’ny volana jolay io fety io ihany koa ny soratra amin’ny vato eny amin’ny Lapan’ny Manjakamiadana , Andafiavaratra…sy ireo taratasy nifanaovan’ny Malagasy tany ivelany taloha satria misoratra eo akaikin’ny daty gregoriana, ny daty Malagasy.

Noho izany, mitsipaka ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy amin’ity volana ity ny Fikambanan’ny Zanadranavalona Anosimanjaka. “ Manitsaka ny hasin’ny tany izany sady manimba ny soatoavina Malagasy”.

Efa niezaka nandresy lahatra ireo fikambanana hafa ity farany fa tsy nisy vokany izany.

Lynda A.