TOUR SAVA 2017: “Guichet fermé” foana ny fampisehoana nataon’i Black Nadia.

Nanamporofo fa  mankafy  ny hiran’i Black Nadia  ny mponina any amin’ny faritra Avaratr’i Madagasikara.  Saika voatetin’ny mpanakanto avokoa  ireo toerana azo hanaovana  fampisehoana any amin’ny Faritra SAVA toy an’i  Belampona, Ambodiangezoka, Vohémar…

Nandritra ny fitetezam-paritra “Tour SAVA 2017”, feno dia feno ny fandaharam-potoanan’ity mpanakanto ity. Nanomboka ny  01 jolay ka hatramin’ny 01 Aogositra 2017 tsy tapaka olona ny toerana nanaovana fampisehoana na ny  fampisehoana tamin’ny antoandro na ny “bal” natao isaky ny alina mandra-parain’ny andro.  Nambaran’i Black Nadia fa “guichet fermé” foana ny hetsika Nanampy tapakila mihitsy aza ho fanomezana fahafaham-po ny mpankafy. Ohatra tamin’izany ny tao amin’ny PK 10 Sambava.

Ny gadon-kira  miloko afrikanina na “Coupé decalé” ny ankamaroan’ny kanto navoakan’ny tarika. Tsy nijanona tamin’io ihany anefa fa ahitana  gadona hafa ihany koa  ny hirany.

Fandresena lehibe ho an’ny mpanakanto  Tour SAVA 2017.