THE VOICE AFRICA : Afaka mandray anjara ireo manan-talenta amin’ny fihirana eto Madagasikara

100.000 dolara  miampy famokarana « album » ny loka ho an’ny voalohany amin’ny The Voice Africa.  Firenena 14 eto Afrika, misy ny tambazotra Airtel  no afaka mandray anjara amin’ny fifaninan-kira manana ny lazany manerantany ity. Ao anatin’izany i Madagasikara. Nampahafantarina  tamin’ny fomba ofisialy tany Nigeria ny 19 oktobra 2022 ny The Voice Africa. Hanamora ny fanatanterahana izany ny tambazotra Airtel. Manomboka ny zoma 21 oktobra ka hatramin’ny 10 novambra 2022 ny fandraisana ny fisoratana anarana. Amin’ny alalan’ny tranokala www.thevoice.africa no hanaovana izany. « Maimaim-poana ny fisoratana anarana. Fepetra takiana kosa ny fananana nomerao Airtel sy adiresy mailaka », hoy Ratsimbarison Anna, tomponandraikitrin’ny serasera eo anivon’ny Airtel Madagasikara. Araka ny fanazavany hatrany  fa tsy atao mihoatran’ny 1 minitra sy 20 méga ny vidéo mirakitra ny hira alefan’ny mpifaninana. Tsy voatery hira gasy no ataon’ny mpandray anjara eto Madagasikara fa afaka mihira amin’ny fiteny hafa. « Afaka mandray anjara avokoa ny rehetra na manan-talenta na efa nandresy tamin’ny fifaninan-kira isan-karazany na efa mpanakanto fanta-daza », hoy hatrany Ratsimbarison Anna. Mihoatra ny 18 taona  kosa anefa, araka ny fanazavany hatrany.

Fepetra sy dingana

Aorian’ny fisoratana anarana dia hisafidy mpandray anjara  20 isakin’ny firenena ny Fame Studio, mpikarakara ny fifaninanana. Rehefa vita izany dia hitety  firenena ireo « coach » iraisam-pirenena hisafidy mpifaninana  miisa 7 hisolo tena ny fireneny. Ny 10 desambra no hanaovana izany raha ny eto Madagasikara. Nilaza Ratsimbarison Anna fa hahazo loka mitentina 5000 dolara ireo mpifaninana 7 isakin’ny  firenena ary hiantohana ny fivahinianan’izy ireo any Nigeria mandritra dingana manaraka.  Tahaka ny The Voice any amin’ny firenen-kafa dia misy ny fisafidianana ny mpifaninana amin’ny alalan’ny fihainoana azy ireo mihira fa tsy hitan’ny mpitsara ny endrik’izy ireo (audition à l’aveugle), ny fifanandrinan’ny samy mpifaninana (battle). 4 ny isan’ny coach iraisam-pirenena miampy coach isakin’ny firenena. I Coach Fidy no hiara-dalana amin’ireo mpifaninana eto amintsika. Ny volana jona ka hatramin’ny volana jolay 2023 ny dingan’ny famaranana amin’ny The Voice Africa.  Handeha mivantana amin’ny  alalan’ny application Airtel TV  izany. Mba ahafahan’ny Malagasy manaraka sy manohana mpifaninana avy eto an-toerana dia  handefa izany ihany koa ny televiziona  KOLO TV. Amin’izay fotoana izay no hisafidianana ireo mpifaninana amin’ny alalan’ny SMS.

Lynda A.