TAOMBAOVAO MALAGASY: Maneho ny maha izy azy ny tsirairay

Maro ireo toerana hanamarihana ny fankalazana ny taombaovao malagasy amin’ity taona 2019 ity. Ho an’ny fikambanana tsimisara-mianakavy, mivondrona ao amin’ny fikambanana Adivory Fitososona dia eo anoloan’ny kianjaben’ny Mahamasina no hanatanterahana izany ny 4 ka hatramin’ny 6 aprily 2019 ho avy izao. Ny 4 aprily ny fitondrana ny « afotsimaty » miala eo amin’ny Parvis Analakely mankany Mahamasina. Ny ampitso indray dia ny hampifaly ny vahoaka Malagasy ny vondron’ireo artista mandala ny maha Malagasy (VAM). Hitohy ny 6 aprily 2019 izany. Hisy ny kabary sy ny fety aman-danonana isan-karazany amin’io fotoana io, araka ny fanazavan’ny filoha lefitry trano koltoraly malagasy sady filohan’ny fikambanana tsimisara-mianakavy, Razafimahefa Gérard.

Nambaran’ ity mpandala ny kolontsaina malagasy  ity fa iraisan’ny Malagasy rehetra ny taombaovao malagasy. Izany indrindra no antony ahitana toerana maro  hanamarihana ny taombaovao malagasy. Misy ny eto an-toerana toy ny eny Ambohidrabiby, Mahamasina, Parvis Analakely raha ny eto Antananarivo, misy ihany koa any faritra sy hatrany ivelany ho an’ireo malagasy mipetraka any toa ny any Frantsa, La Réunion.  Izany dia midika fa efa mivelatra ary efa tsapany ny Malagasy fa manana ny maha izy azy ny tenany. Hasandrato ny maha ianao anao, hoy hatrany izy. Nilaza ihany koa ny filoha lefitry ny trano koltoraly malagasy fa ny taombaovao malagasy amin’ity taona ity dia entina hanairana ny vahoaka Malagasy rehetra. Izay olona mahatsiaro tena fa Malagasy dia tokony hankalaza ny taombaovao malagasy. Eo ihany koa ny famerenana ny fitiavan-tanindrazana ary ny famerenan-kasina ny soatoavina malagasy izay nolovaina tamin’ny razambe hatrizay. Mampatsiahy ihany koa izy fa tsy ny vahiny no nomen’Andriamanitra ity Madagasikara ity fa isika Malagasy ka tokony isika no masi-mandidy amin’ny tanintsika.

Lynda A.