TAOM-BAOVAO MALAGASY: Tapa-bolana alohan’ny paka

Tapa-bolana alohan’ny fetin’ny paka no hankalazaina ny taom-baovao Malagasy. Amin’ity taona 2018 ity, ny 18 Martsa  ny andro fankalazana ho an’ny mpikarakara ny taom-baovao Malagasy tsy manavaka finoana na fihaviana. Hita ao anatin’io vondron’olona mikarakara io fety ny Mpitana ny  hasin’ny rova Andriambahoaka afovoan-tany, Mbola Tina Ramamonjisoa. Nambarany fa tsy tokony iadian-kevitra ny taom-baovao Malagasy. Araky ny fanandroana, ny 17 ny volana martsa no tsinana ny volana. Amin’io andro io no hanaovana ny “afotsimaty”. Amin’ny maha fetin’ny faran’ny taona azy,  hisy ny filalaovana arendrina.  Andro iray na ora alohan’io anefa dia tokony hifamela heloka ireo manana disadisa.

“Fotoana famitra-pihavanana ny taom-baovao Malagasy”. Rehefa migadona ny taona vaovao, mitso-drano ny zanaka ny ray aman-dreny. Arahina vary tondrahan-dronona tondrahan-tantely  izany. Amin’ny maha androm-piravoravoana ny taom-baovao Malagasy, mifanolotra salohim-bary ny  ray aman-dreny sy ny zanaka. Faranana amin’ny fizarana nofon-kena mitam-pihavanana ny fety.