TAOM-BAOVAO MALAGASY: Hafana ny fankalazana

Hifampitaona eny amin’ny Kianjan’i Mahamasina ny “hadivory fitososona” hanamarika ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy. Manomboka ny alin’ny 17 martsa 2018 taom-baovao Malagasy, efa hivory lanonana eny an-kianja ny  fikambanana famato, ny fikambanana havia sy havanana, ny fikambanan’ny mpianatra ambaratonga ambony izay mivondrona ao anatin’ny “hadivory fitososona”. Hisy ny filalaovana arendrina.

Fomba fanao rehefa taom-vaovao Malagasy ny fanomezan’ny ray aman-dreny tso-drano ny zanaka, ny fiarahana mihinana vary amin-dronono tondrahan-tantely. Ho hita mandritra ny taom-baovao amin’ny 18 martsa 2018 izany. Ho faranana amin’ny alim-pandihizana ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy. “Amin’ny 23 martsa 2018 eny amin’ny “Espace Nambinintsoa” no hamaranan’ny hadivory fitososona. Hiavaka io alim-pandihizana io satria fitafiana Malagasy no ho tinafin’ny mpilanonana, sakafo hanim-pitoloha no sakafo hohanina, hira Malagasy no handihizana”, hoy Rakoto Davida.