SMILE PARTY : Manala azy vita Bacc, lanonana fito sosona no handrakotra ny AFT Andavamamba.

Hiavaka ny seho vita Bacc miaraka amin’ny Smile Party. Mizara roa mazava tsara ity andiany faha-12 ity satria toerana roa ao amin’ny Allianca Française Andavamamba no hanatanterahana ny hetsika. “Show Boys and Girl”, hisy ny fampisehoana izay hafanain’ny mpanakanto toy an’i Tence Mena sy Joyce Mena Makoa ary ny DJ Princess. Mifanindran-dalana amin’izay, hampiseho ny fahazainy mampihetsika sy mampiaina ny fety ihany koa i Tsiliva sy Princio. Samy amin’ny 09 ora alina avokoa ireo ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 03 maraina. Mialoha izay, efa manomboka manafana ny lanonana ireo DJ an’ny RDJ’s TEAM. Manomboka amin’ny 08 ora alina izany ka hatramin’ny 05 maraina ao amin’ny Grand Hall ny AFT. Noho izany, lanonana fito sosona no handrakotra ny AFT ary afaka “manala azy” amin’izay tiany ireo mpianatra avy nanala fanadinana Bacc anio alina.

Araka ny fanazavan’ny Tomponandraikitra, Tahiana RASOLOJAONA, tsy hisy mihitsy fifangaroan’ny feo na “son”mandritra ny hetsika satria efa fitaovana avo lenta avokoa no ampiasaina amin’io fotoana io.