NONO: Hivohy ny hirany ho an’ ny mpankafy.

Taorian’ ny fampisehoana nataon’ i Nono, maro ireo nangataka ny hiakarany an-tsahatra indray.Tonga izao ny fotoana hanatanterahany izany ka hisy ny hetsika izay atao ao amin’ ny Lapan’ ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina ny 22 aogositra 2015. Manomboka amin’ ny 4 ora ny fampisehoana ary adiny iray eo ny ekipan’ i Nono no hanafana ny lanonana miaraka amin’ ny ireo antokom-pihira manan-talenta nefa tsy fantatry ny besinimaro.

Hiventso ireo hirany amin’ ny fomba nitendrena azy tany am-piandohana i Nono. Fitiavana avy ao anaty no nanosika azy hiaka-tsehatra indray, araka ny fanambarany tamin’ ny mpanao gazety.

Ao amin’ ny « Super Music » Analakely sy « Restaurant PLanète » Ambohijatovo no hahitana ny tapakila tsotra na famandrihan-toerana na VIP.

Hovoizina ho an’ ny mpankafy  an ‘ i Nono  sy ireo izay mbola tsy mahalala azy ity fampisehoana ity ka manasa ny rehetra ho avy.

Efa 30 taona izao no niaina tao anatin’ny mozika ity mpanakanto iray ity. Ny tenany ihany no namorona ireo tonon-kirany sy nandrindra ireo. Famoronan-kira rahateo no hany fialamboliny tamin’ izany fotoana izany Nambarany ihany koa fa mitaratra  ny fiainana  andavanandron’ ny olona ny hirany.

Nomarihiny nandritra ny tafa tamin’ ny mpanao gazety fa misy tonon-kira noforoniny, ampiasain’ ny mpanakanto hafa izay tsy hita taratra akory fa i Nono no tompony. Mangataka amin’ireo voakasika izany ny tenany mba hohajaina ny zon’ ny mpamorona.

Lynda A.