MADAGASCAR FASHION WEEK OCEAN INDIEN : Ahitana ireo karazana lamaody fentina amin’ny andro mafana vita malagasy

« Tsy mena-mitaha amin’ny any ivelany ny fahaiza-manaon’ny mpamorona Malagasy », hoy Rakotoson Alexandre, mpikarakara ny hetsika Madagascar Fashion Week  Océan Indien (MFWOI).  Mpamorona lamaody teratany Malagasy sy vahiny monina eto Madagasikara  am-polony no mampiranty ireo asa tanany mandritra MFWOI. Akanjo, kiraro, kojakoja fentina amin’ny andro mafana ho an’ny taona 2023 (collection automne hiver printemps été austral) no asehon’izy ireo sy amidy eny amin’ny  Radisson  Ambohijatovo. Nanomboka ny 14 desambra ary hifarana anio 16 desambra 2022 ny hetsika. « Entanina isika hijery, hanjifa ny vita malagasy satria isika samy Malagasy,  samy eto amin’ny kaontinanta afrikanina no tokony hifanohana voalohany. Manana ny fahaiza-manaon’ny mpamorona Malagasy », hoy Rakotoson Alexandre nandritra ny fanokafana ny MFWOI andiany faha-8. Ankoatra varotra fampirantiana dia hibahana mandritra ny Madagascar Fashion Week Océan Indien ihany koa ny famelabelaran-kevitra arahina adihevitra iarahana amin’ireo mpamorona, ny fanomezana torolalana ho an’ireo mitady toeram-piofanana momba ny lamaody sy ny maro hafa. Ho resahina mandritra famelabelaran-kevitra ohatra ny fitsaboana amin’ny alalan’ny zavakanto na « art-thérapie ». Nambaran’ny mpikarakara fa ho fanomanana ny fampiantranoana ny fihaonamben’ny federasiona  afrikanina momba ny lamaody ihany koa ity hetsika ity. Ny firenena Malagasy no handray izany ary firenena afrikanina 30 mahery no ho avy eto an-toeranaa amin’ny taona 2023.

Lynda A.

Horonan-tsary: