HAZAKAZAKA POSIPOSY: Fifaninana natokana ho an’ireo mpitari-posy taritin-tanana.

Misokatra ho an’ireo mpitari-posy entin-tanana ny fisoratana anarana ho an’ny fifaninanana  “hazakazaka posiposy mampiray tour 2017”. Ireo miasa sy mivelona amin’ity sehatry iray ity ao Ambatolampy, Antsirabe ary Ambositra no tena voakasiky ny lalao ka nanomboka androany 20 ka hatramin’ny 30 martsa ny fisoratana anarana ho an’Ambatolampy, ny 03 aprily ka hatramin’ny 27 aprily kosa ho an’Ambositra sy Antsirabe.   Entina hampifandraisana ireo mpitari-posy miasa manodidina ireo faritra voalaza ireo no tanjon’ny hetsika. “Eo ihany koa ny fananganana  fikambanana ho azy ireo ho fiarovana ny tombontsoan’izy ireo”, hoy Rajery mpanakanto no sady mpikarakara ny hetsika.

Ny 01 Aprily 2017 no daty voatondro ho an’ny fifanintsanana ao Ambatolampy. Ny faha-29 Aprily kosa ny Ambositra ary faha-30 Aprily ny anjaran’Antsirabe. Ao Antsirabe ihany ny ny lalao famaranana fara-doboka izay atao ny 01 May 2017. Amin’ny maha lalao azy, loka maro no hozaraina ho an’ireo mpandresy ka vola mitentina 500.000 Ariary ho an’ny voalohany, 300.000 Ariary ho an’ny laharana faharoa ary 2000.000 Ariary ny fahatelo. Mbola hafa ihany loka ho an’ireo mpandresy  amin’ny fifanintsanana fara-doboka izay hatolotra ho an’izay mahazo ny laharana voalohany, faharoa ary fahatelo, arakaraka ny sokajin-taona. Ireto avy izany: vola 2.000.000 Ariary, 1.000.000 Ariary, 500.000 Ariary. Samy miampy loka maro hafa ireo vola ireo.

Ny taona 2016 no  efa niketrahan’ny fikambanana Mampiray miaraka amin’ny mpikarakara hetsika « Fetoo » ity lalao ity. Araka ny fanazavana,  fanombohana ihany izao hetsika  izao fa hihitatra manerana ny faritra izay  ahitana olona mivelona amin’ny fitarihana posy entin-tanana ny fifaninana.

Marihina fa kara-panondro sy taratasy fanamarinam-ponenana ary sary tapaka roa  ary vola 500 Ariary no ilaina amin’ny fisoratana anarana. Ireo mpitari-posy ara-dalana, voasoratra any amin’ny kaominina ihany no afaka mandray anjara. Efa misy mihitsy ny fiarahamiasan’ny kaominina ny mpikarakara amin’izay lafiny izay.