DINIKA HO FANAVOTAM-PIRENENA: Tetika ady ho fanovana rafitra.

Rehefa misy ny  filazana fa  hidina  an-dalam-be na hamory vahoaka ireo mpitarika politika na fikambanana dia lazaina fa hanongam-panjakana  foana. Samborina mihitsy aza raha milaza ny  tsy mety ataon’ny mpitondra. Na dia eo aza izany, tsy foana ny dinika ho fanavotam-pirenena (DFP). Tao anatin’ny telo volana no nikarakarana azy ity ary amin’ity herinandro ity no hanatanterahana azy.

Antoko politika maro, fikambanana, fiarahamonim-pirenena, olon-tsotra… mivondrona  ao amin’ny  MMF no handray anjara amin’ny dinika. “Hisy dinika avokoa manerana ny faritra ka ny fehin-kevitra mivoaka mandritra ny hetsika dia aroso ho fitantanana ny firenena Malagasy”.

Nomarihin’ny mpikarakara ihany koa  Fanovana rafitra no tanjon’ity dinika ity fa tsy fanonganam-panjakana velively. Nambaran’izy ireo fa nanasa ny mpitondra fanjakana mihitsy aza hiara-handrafitra ny paika ady hampandrosoana an’i Madagasikara fa tsy ho an’ny tombontsoa an’olom-bitsy foana.