CEMDLAC: Tsy midika ho “frantsay” ny “frankofonia”.

Efa tamin’ny taona 2001 no nisy ny Ivo-kolo fa  CLAC no anarany tamin’izany. Ny  taona 2008 vao niforona ny CEMDLAC.  Toerana famakiam-boky sy fanentanana  ara-kolontsaina natao ho an’ny daholobe ny CLAC ary ny CEMDLAC  no miandraikitra ny fandrindrana amin’ny ankapobeny , ny fanaraha-maso ny asa rehetra mahakasika ny fampiroboroboana  izany.  Anisany mamatsy boky ity ivon-toerana ity ny  OIF ka nanararaotra nitsidika teny Analakely  ny Sekretera Jeneralin’ny  OIF, Michaëlle Jean ny alakamisy teo. Mifanandrify  amin’ny fanomanana ny fihaonamben’ny firenena  mampiasa ny teny frantsay  andiany faha-16 atao eto Madagasikara ihany koa io fitsidihana io.

Nandritra io fotoana io, nisy ny fampirantiana  ho fampahafantarana  ireo  boky sy ny kolontsaina Malagasy ary ny zava-bitan’ny ivo-kolo.