BLACK NADIA: Nanafana ny faha-25 taonan’ny orinasa AGK ao Comores.

Nitety ireo Nosy manodidina ny ranomasimbe Indiana ny tarika Black Nadia. Ambasadaoro ofisialy ny orinasa AGK ao Comores mampifandray an’i  Madagasikara ity mpanakanto Malagasy ity noho ny fiarahamiasan’izy ireo. Nandritra ny fivahinianany ny tarika tao Moroni Comores ny 14 sy 15 oktobra 2017, nanatanteraka fampisehoana tao amin’ny kianjan’ny AJAO i Black Nadia. Tafiditra indrindra tao anatin’ny fankalazana ny faha- 25 taonan’ny orinasa AGK izany hetsika izany.

Anisany nanampy betsaka  tamin’ny  fanatontosana   ny album sy ny   raki-kirany vaovaony   io orinasa matanjaka ao Comores io.  Hivoaka ny volana novambra 2017 izany.

Nambaran’i mpanakanto fa betsaka ireo Malagasy tonga nankafy ny hirany nandritra ny fampisehoana  tao Comores ny 15 oktobra 2017.   Tsy latsa-danja tamin’izany ihany koa ny fitetezana ny Nosy La Réunion izay natao ny 08 oktobra 2017. Nihazo ny Nosy Maurice indray ny i Black Nadia sy ny ekipany ny 25 oktobra  2017 ary   nampiseho ny talentany tao amin’ny Break Rose Hill ny sabotsy 28 oktobra  2017 lasa teo.