Nampifaly ny vahoakan’Anosizato ny fikambanana HAFARI Malagasy ny sabotsy teo. Tamin’io fotoana io no nizaran’ny fikambanana fanamiana ho an’ny ekipa iray mpilalao baolina lavalava. Nanararaotra nanolotra vahaolana ialana ny fahatapahan’ny jiro ihany koa ny fikambanana. Ny fampiasana ny jiro mandeha amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro vokarin’ny orinasa JIVIMA no narosony tamin’izany.
“Tsy fikambanana mpanao politika izahay ary tsy manana eritreritra hilatsaka ho fidiana filoham-pirenena amin’ny taona 2018”, hoy ny Filoha Nasionalin’ny HAFARI Malagasy, Jean Nirina RAFANOMEZANTSOA. Nambarany fa “mahasaky” hampandroso ny firenena ny tenany.
Nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo ny fihaonan’izy ireo.
IL PEUT ETRE UN PRESIDENT POURQUOI PAS?
Nadine Ramaroson Alain Rajaonarivony liked this on Facebook.