Z’OVY 2016: “Ny angovo sy ny lalam-pihariana misongadina amin’ny faritra Vakinakaratra”.

Faritra faharoa be mponina be  indrindra  eto Madagasikara ny faritra Vakinakaratra satria manodidina ny 2.348.000 eo no isany. Malaza amin’ny seha-pamokarana maro toy ny fambolena, fiompiana, indostria, jono, fizahan-tany…ihany koa izy. Ho fanamafisana orina ny toekaren’ny faritra dia teraka ny  foara ara-toekarena  Z’OVY. Ny zoma 13 ka hatramin’ny alatsinainy 16 May ho avy izao ny andiany faha-3 amin’ity taona 2016 ity izay tontosaina ao Antsirabe ihany.

Fototra iray iankinan’ny  fampandehanan’ny toekaren’ny faritra Vakinakaratra ny angovo. “19 Megawatt eo no ilaina amin’izany. Tsy tratra anefa io tanjona io ka izany indrindra no antony nandraisana ny lohahevitra momban’ny angovo sy ny lalam-pihariana misongadina amin’ny faritra Vakinakaratra mba hitadiavam-bahaolana, hoy Mandrindra Albert ANDRIANJANAKA, Lehiben’ny Faritra Vakinakaratra.

Hifampizarana traikefa sy hifanakalozana ara-barotra  ity hetsika ity. Distrika fito mandrafitra ny faritra miampy ireo faritra hafa  manodidina no hampiranty ireo vokatra ka trano heva 120 natokana ho an’ireo fikambanan’ny mpamokatra, orinasa, mpandraharaha ara-toekarena, sampandraharaha ary ny mpiray ombon’ antoka. Ankoatra izany, hetsika maro samihafa no hanome aina ny Z’OVY andiany faha-3 toy ny alim-pandihizana, diabe, fanentanana, lalao…