ZAZA « AUTISTE »: Ny mety mahatonga izany

Miha mitombo ny olona “autiste” manerantany. Torak’izay ihany koa ny eto Madagasikara. Volana natao ho fampahafantarana ny “autisme” ny aprily. Ny 2 aprily rahateo natokana ho andro manerantany ho fampahafantarana ny “autisme”. Ho fankalazana izany dia nanokana herinandro ny  ho fampahafantarana ity toe-tena ity ny “réseau autisme Madagascar”. Nanomboka omaly 2 aprily 2019 izany ary hifarana ny sabotsy 6 aprily 2019. Famelabelaran-kevitra momba ny fanilikilihana ireo zaza “autiste” sy ireo ankohonany tao amin’ny Plaza Ampefiloha no nanombohana ny hetsika.

Nambaran’ny mpandrindra mpanampy ao amin’ny “autisme Madagascar”, Raoliarivelo Nicole fa tsy aretina ny “autisme” fa toe-tena. Samy manana maha izy azy ny tsirairay dia manana ny maha izy azy  ihany koa ny olona “autiste”. Teraka “autiste” ny zaza iray ary maty “autiste”. Misy karazany ny fisehon’ny “autisme”. Ao ny manam-pahaizana be, ao ny mifanohitra amin’izany. Raha ny fanazavan-dRaoliarivelo Nicole dia singa telo no ahafantarana fa mety “autsite” ny zaza iray: manana olana ara-pitenenana (manana ny fomba fiteny manokana, amin’ny fotoana tokony hitenena tsy miteny, fa any amin’ny faha-8 taonany vao mahavoaka dada, mama), ny tsy fahaizana miara-miaina amin’olona ( ohatra: mitoka-monina, mifandray loatra amin’ny olona anankiray), fikorontanan’ny fitondran-tena (rehefa tezitra dia tezitra tafahoatra, faly tafahoata, tafahoatra daholo, akapokapony amin’ny rindrina ny lohany, hohaniny tanany…). Nambarany fa tsy afaka miteny hoe: “autiste” raha tsy vita ny fitiliana. Manoloana izany dia tsy ivon-toerana mandray zaza autiste ny autisme Madagascar fa toerana manampy ny ray aman-dreny sy ireo fikambanana mandray an-tanana ireo zaza “autiste”.

An-dalam-panaovana fikarohana ny antony mahatonga ny “autisme” ireo manam-pahaizana. Ao ny milaza fa  avy amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana, ny etona simika, ny vaksiny  no mahatonga ity toe-tena ity. Manana zo tahaka ny olon-drehetra ny autiste ka tsy tokony hahilikilika ary arakaraky ny fandraisana an-tanana azy no hampivoatra azy.

Lynda A.