Zandaramaria Ankadilalana: Mihamahazo laka ny vehivavy

Notontosaina ny alakamisy teo ny fanolorana faneva ho an’ireo vondrona vaovao ao amin’ny zandarimariam-pirenena Ankadilalana. Nahazo fiofanana nandritra ny telo volana izy ireo. Araka ny fanazavan’ny Sekreteram-panjakanan’ny zandarimaria, Jeneraly Paza Didier, vondrana vaovao eo ambany fiahian’ny EMMOREG ihany izy ireo ary tsy misy ny fanitsahana andraikitra. Misahana ny fandriam-pahalemana mandritra ny fihetsiketsehana tsy ara-dalana na tsy nahazoan-dalana ireo vondrona ireo na ny « escadron de surveillance et d’intervention ». Noho izany, mialoha lalana ny vondrona hafa izy ireo. Vehivavy avokoa ny ankamaroan’ny ao anatin’ity vondrona ity. Hanehoana fa mahavita ihany ny vitan’ny lehilahy zandarma ny vehivavy ary hampafantarina ny olona fa manaja ny zon’ny vehivavy ny eo anivon’ny zandarimaria. Ankoatra izany, mba hisian’ny filaminana, noheverina fa ny vehivavy no afaka mandamina kokoa noho ny lehilahy.

Lanonana telo sosona no natao tamin’io fotoana io. Nisy ihany koa ny fanaovam-beloma ireo manam-boninahitra nisotro ronono tamin’ny taona 2014. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ihany koa ny tranom-pivavahana na « chapelle Militaire Sainte Geneviève ao amin’ny tobin’ny zandarmaria Ankadilalana.

Lynda A.