ZAMAMI: Miandrandra fampandrosoana ny faritra amin’ny alalan’ny Praiministra vaovao.

Tsy nanaiky avokoa ireo Zanaky ny Faritra  Sofia    raha tsy naneho fisaorana sy fankasitrahana tamin’ny fanendrena an’i Solonandrasana  Olivier MAHAFALY satria avy ity Praiministra vaovao ity. Nanao fanambarana ihany koa ny Zanaky Maevarano Miray  (ZAMAMI) eto  Antananarivo manoloana izany. Miandrandra fampandrosoana amin’ny alalany ity fikambanana ity satria betsaka ireo tsy an’asa kanefa manam-pahaizana sy ny manana traikefa amin’iny faritra iny. “Fanirianay ny hananganana orinasa na tetikasa ampiasanay ny fahaizanay ary hampandrosoanay ny faritra Sofia”, hoy Paul  Francky  HIAVRE, Filohan’ny ZAMAMI Antananarivo.

Manana tanjona lavitra ezaka ity fikambanana ity  dia ny hananan’ny faritra “Campus” andraisana ireo mpianatra.