YOUNG PROGRESS ASSOCIATION: Seham-pihariana mahavelona ny fiompiana kibobo.

Roa andro tsy hifaranan’ny “foire Internationale  de l’agriculture” na FIA, eny amin’ny Zone Forello Tanjombato, manome fanazavana bebe kokoa momba ny fiompiana kibobo na “caille” ny fikambanana  Young Progress Association. Nambaran’ny tomponandraikitra ao amin’ity fikambanana ity, RANDRIAMAMPIANINA fa seham-pihariana vaovao ny fiompiana kibobo ary azo atao tsara ny mivelona aminy.

Ankoatra ny fanomezana fiofanana  momba ny fiompiana akoho amam-borona, mivarotra kibobo, akanga ihany koa ny fikambanana. Manodidina eo amin’ny 5000 ka hatramin’ny 6000 Ariary eo ny iray amin’ny kibobo velona ary 25.000 Ariary kosa ny kilaon’ny henany. “Azo atao laoka amin’ny andavanandro ny kibobo ary tsara lavitra amin’ny akoho ny tsirony”, hoy hatrany ny avy ao amin’ny Young Progress Association.

Marihina fa mbola  mitohy ny hetsika FIA rahampitso 16 septambra. Ny alahady 17 septambra 2017 kosa izany vao hifarana.