VOLAVOLAN-DALANA: Manome vahana ny fiarovana ny mpiasan’ny fananan-tany.

 Efa lany teo anivon’ny vaomiera misahana fananan-tany  eny amin’ny  Antenimieram-pirenena ny  volavolan-dalana momba ny fananan-tany. Aroso ho laniana  eny Tsimbazaza mandritra ny fivoriana ara-potoanan’ireo  Solombavambahoaka  kosa io  lalana mifehy ny fananan-tany  io  ny 07 novambra 2017 raha tsy misy ny fiovana. Nambaran’ny  fiarahamonim-pirenena ROHY,   Sehatra Iombonan’ny  Fananan-tany (SIF) sy ny maro hafa fa manome fahefana  be loatra ny mpiasa ao amin’ny sampandraharahan’ny  fananan-tany  io volavolan-dalana io. “Hita taratra amin’ny fanoratana  azy fa mitongilana amin’ny fiarovana teknisiana,  mpiasam-panjakana misahana ny fitantanana ny fananan-tany izy ity. Mifanohitra tanteraka amin’ny asan’ny lalana izay  atao hiaro ny tombontsoan’ny vahoaka”, hoy ny mpandrindra ara-teknika ny  SIF,  Eric RAPARISON.

Fanafoanana

 Andinin-dalana efatra  miaro  manokana ny mpiasan’ny  sampandraharahan’ny fananan-tany. Iray monja ny lalana miaro ny zon’ny  vahoaka.  Mamaritra izany ny  andinin-dalana laharana faha- 117 ka hatramin’ny 120 ka tokony ho foanana. Voasoratra ao amin’ny andininy 117 fa “hetsika fikomiana  na fanompana na fandrahonana ireo mpiasan’ny fananan-tany eo amin’ny fanatanterahana ny andraikiny eny amin’ny toerana samihafa dia heloka hosaziana am-ponja iray volana ka hatramin’ny enim-bolana ary lamandy 100.000 ka hatramin’ny 900.000 Ariary na iray amin’ireo sazy roa ireo ihany”.

Mitaky ny hanafoanana  ny andinin-dalana faha-126 momba ny fampiasam-bola ihany koa  ny fiarahamonim-pirenena. “Manamafy ny fepetra momba ny fahafahan’ny vahiny mizaka ny fananan-tany, izany hoe mividy tany, araka ny lalana  2007-036”. Manoloana izany, tokony ho esorina  ao  amin’ity volavolan-dalana vaovao  ity  izany satria manamafy sy manamarina ny fahafahan’ny orinasa vahiny mividy tany eto Madagasikara. Manoloana ny vola sy ny fahafaha-mividy, mety ho lasan’izy ireo  avokoa ny tany  ary kasaina omena  titra fananan-tany izy  ireo matoa misoratra manokana eo ny momba azy.

Fanitsiana

Mangataka ny hanitsiana ny  andinin-dalana faha-112, andalana faha-4 momba ny andraikitry ny “Conservateur”   amin’ireo hadisoana ataony sy ny fanadinoana momba ny titra fananan-tany sy ny “duplicata”  ihany koa ny fiarahamonim-pirenena. Raha misy  ny olana, tsy azo arahina intsony ny tomponandraikitra iray aorian’ny telo  taona nikirakirany ny antontan-taratasy. “Fohy loatra  ilay telo taona hitazomana ny andraikitra sivily fa tokony atao 10 taona  mba hisian’ny fitandremana fatratra amin’ny asany. Etsy ankilany, fotoana ela be matetika  vao mipoitra ny olana”, hoy ny mpandrindra ny ROHY,  Harijaona ANDRIAMORANIAINA.

Santionany amin’ireo teboka kianin’ny fiarahamonim-pirenena misahana ny fananan-tany ihany ireo voalaza ireo. Hatramin’izao nanoratana izao, miezaka hatrany ny manaitra ny sain’ny solombavambahoaka ny tsy handany fahatany io volavolan-dalana io izy ireo.  Misy ny tokony ho hahitsy sy/na  foanana  satria hiteraka fiatraikany ratsy sady mavesa-danja amin’ny mponina maro an’isa, indrindra fa ny tantsaha any amin’ny faritra rehetra eto Madagasikara.