VOHITSIVALA: Ivon-toeran’ny tantaran’ny foko Antanala.

Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy teo ny boky mandrafitra ny kolotsaina, ny fomban’ny foko Antanala. Hatramin’izay vahiny foana no nanoratra boky momba azy ka betsaka ny tantara tsy mari-pototra. Manoloana izany indrindra no namoahan’ny Zanak’Antanala boky mandrafitra  ny tena kolotsainy sy ireo zava-nisy nanomboka tamin’ny  vanim-potoanan’ny faha-mpanjaka ka hatramin’ny fanjanahantany. 

Vohitsivala no nampitondraina ny lohatenin’ilay boky.  Solombavambahoaka,  Brunelle RAZAFITSIANDRAOFA  sady Printsy ao amin’ny foko Antanala ihany no nanoratra azy.  “Mba tsy ho siosion-dresaka  no nandrafetana an’i Vohitsivala   dia niarahana tamin’ireo olo-be  mihitsy ny  fangalana ireo tantara rehetra nilaina”.

Nambaran’ny mpanoratra fa afaka jifaina  amin’ny vidiny 25.000 Ariary  eny amin’ireo  tranom-boky   ity boky vaovao ity.

Tamin’io sabotsy io ihany koa no notontosaina ny fifampiarahabana nahatratry ny taona ny Fikambananan’ny ZANTA na Zanaka Antanala.