VMSA : Miantso ny vahoaka hanaiky ny didy havoakan’ ny fitsarana miandraikitra ny fifidianana.

Amin’ ny maha fikambanana miaro ny safidim-bahoaka ny VMSA, dia nanao fanambarana ny antoko manoloana ny voka-pifidianana sy ny valim-pitsarana momban’ ny fifidianana Ben’ny Tanana tamin’ny 31 Jolay farany teo. Maro ny tsy tomombana tamin’ io fifiadanana io ka niafara tamin’ ny fitoriana teny amin’ ny fitsarana misahana ny fifidianana. “Hiarahana mahita ireny sy ekena ary tsy hiarahana manarinany ho avy ihany koa”, hoy  Raharinaivo Andrianatoandro. Noho izany, miantso ny vahoaka ho tony eo ampiandrasana ny valim-pitsarana sy ny valim-pifidianana ny antoko politika VMSA. Manao antso avo ny mpitsara ihany koa ity farany mba tsy handairan’ny teritery na fampitahorana, na avy amin’ iza na avy aiza.

Miray feo tanteraka amin’ izao fotoana izao ny mpikambana rehetra ao amin’ ny antoko hiaro ny safidim-bahoaka tamin’ny fifidianana Ben’ny Tanana teo ary miaro an’ izany amin’ny fomba mendrika, araka ny lalana misy eto amin’ ny firenena.

Miarahaba sahady ireo Ben’ny Tanana sy Mpanolontsaina izay lany havoakan’ ny fitsarana eo ary vonona hanohana sy hiara-hiasa na avy amin’ ny lafi-politika inona nan a firehana inona izy ireo satria ara-dalana no sady ankasitrahany no tohanany ary arovany.

Lynda A.