VFTAFIMA: Manameloka izay mitondra sakana ialana amin’ny krizy.

Mahatsiaro ho manana andraikitra manoloana ny disadisa eo amin’ ny filoham-pirenena sy ny solombavambahoaka ny fikambanana VF TAFIMA na Vondrona Fikambanana Tanora Antoky ny Fampandrosoana Ifotony eto Madagasikara. Manameloka izay mitondra ny korontana sy sakana ialana amin’ny krizy ny fikambanana. Tokony hisy ny fifampiresahana eo amin’ny roa tonta. « Mangataka ny hihaonan’i Hery Rajaonarimampianina sy ireo solombavambahoaka nitory azy izahay », hoy filohan’ny fikambanana, Rajernerson Modeste. Tsy hisy fampandrosoana ho vanona mihitsy raha misy ny savorovoro sy fanjakana tsy marin-toerana. Nambaran’ny fikambanana ihany koa fa efa mizotra miala amin’ny krizy ve ny Malagasy dia harodana indray ny efa mijoro? Manohana ny fitondrana ankehitriny ity fikambanana ity ka rariny raha milaza izany. Efa mizotra miala amin’ny fahantrana tokoa ve isika amin’izao fotoana izao? Ny hita taratra aloha dia vao maika miditra any amin’ny fahantrana lalina ny firenena . Samy miaro ny rambony tsy ho tapaka ny andrim-panjakana rehetra.

Vondrona fikambanana tanora maro no miara-miasa sy misahana mivantana ny tanora Malagasy VFTAFIMA. Hitondra fanovana sy fiovana ho an’i Madagasikara no tanjon’ity farany. « Mitady ny fomba rehetra hitaizana ny tanora hanana rafi-pisainana ho tia sy hanaja ny rafi-pitondrana voafidy ny fikambanana », hoy hatrany ny filohany. Anisany olana mampikatso ny firenena Malagasy ihany ny rafi-pitondrana misy amin’izao fotoana. Tsy mitondra fampandrosoana akory ny firenena. « Mila manova izany isika ary atao mifanaraka amin’ny rafi-piarahamonina Malagasy » araka ny fanazavana azo. Lalana iray ahafahana mivoaka amin’ny fahantrana ary ve ny hijanonan’i Hery Rajaonarimampianina eo amin’ny fitondrana?

Lynda A.