VAVAKA SY FIDERANA: Haneho fahagagana ny Tompo.

Delegasiona avy any ivelany 300  isa,  manao asa misiona  ara-pilazantsara no tonga  eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. Misy ny fitoriana ny filazantsara  karakarain’izy ireo eny amin’ny kianjan’Alarobia. Manomboka androany 21 jona izany ary tsy hifarana raha tsy amin’ny alahady 25 jona 2017.

Nambaran’ny mpikarakara fa haneho fahagagana ny Tompo amin’ireo fotoana ireo tahaka nataon’ny Missions S.O.S ny renivohitra maromaro tany Afrika. Hizara ny tenin’Andriamanitra amin’ny Malagasy indray ireto irak’Andriamanitra ireto izay tarihin’ny evanjelistra Johannes Amritzer.

Mandritra ny dimy andro, hanafana ny hetsika ny mpanakanto ara-pilazantsara toy Rija RASOLONDRAIBE, Joseph d’Af, Antsan’iKristy, Rija RAKOTO, Julia Willkander.

Ankoatra ny fitoriana ny filazantsara, manana fanomezana hatolotra ho an’ireo sahirana ny Missions S.O.S.

Marihina fa tsy mifidy antokom-pivavahana ny hetsika. Manamarina izany ny fiarahan’ny Missions S.O.S amin’ny Fiombonan’ny Mpitory ny Filazantsara eto Madagasikara.  Tsy misy ny vidim-pidirana.