VASIAN’I MADAGASIKARA : Hiara-hiasa amin’ny vadin’ny PM .

Fikambanam-behivavy mijoro ho an’ny fampandrosoana ny VASIA Nasionaly. Manohana ny fitondrana izay misy eo ity fikambanana ity. Manoloana izany, manana vina ihany koa izy ireo hanampiana ny fanjakana eo amin’ny lafin’ny fampandrosoana, indrindra ny fanatsarana ny fiainan’ny vehivavy manerana ny faritra 22. Maro ny vina tiany ho tratrarina ka nangataka fiaraha-miasa tamin’ny vadin’ny Praiministra (PM)  ireo mpikambana.

 Araka ny fanazavan’i Georgette  TSINJOVANA, filoha Nasionalin’ny fikambanana fa hanatanteraka hetsika fanomezana kopia sy kara-panondro faobe, fisoratam-panambadiana,  hanampy ireo vehivavy iharan’ny herisetra,  hitondra ny anjara birikiny ho fanampiana ireo vehivavy tsy manana antom-pivelomana… ny VASIA  amin’ity taona ity.

Nihaino ireo hetaheta ireo tokoa ny vadin’ny PM, Bernadette RAZAIARISOA omaly teny amin’ny Lapan’ny Praiministra Mahazoarivo. Nambaran’ity farany fa vonona hiara-hiasa amin’ny fikambanana ny tenany saingy manamafy kosa fa  samy “mitipatipaky” na mikaroka ny fomba rehetra hanatontosana ireo vina voalaza ireo.