VANTAGE INTERNATIONAL-AMMBR TRADE LIMITED: Nampitombo ny renivolany

Ho fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara. Na dia teo aza ny fiantraikan’ny valanaretina Covid-19 dia betsaka ireo orinasa teto an-toerana nahavita nitazona ny tanjany. Anisan’izany ny orinasa mpanondrana entana VANTAGE INTERNATIONAL sy ny orinasa misehatra amin’ny fikirakirana ny tambazotran-pifandraisan-davitra AMMBR TRADE LIMITED. Samy nitombo 25 tapitrisa Ariary ny renivola ampiasain’ireto orinasa ireto nanomboka ny volana janoary 2021. Tsara ny mahalala fa misehatra amin’ ny fikirakirana sy fanondranana lavanila, volamena ary vatosoa ny VANTAGE INTERNATIONAL ary miasa amin’ ny sehatry ny ara-dalàna ny asa fanondranana ataony. Mpandraharaha roalahy no isan’ ny mitantana azy eto Madagasikara dia Andriamatoa Prasannan N. sy Stanley Kalhatara.  “Mahatsapa izahay fa misy ny olana amin’ny raharaham-panjakana amin’izao fotoana izao ary manaraka akaiky izany izahay. Eo amin’ny lafiny toekarena dia ny tsy fahampian’ny tahirim-bolan’ireo mpanangom-bokatra mba hitazomana ny fisian’ny asa sy ny sahan’asa, ny fikorontanana eo amin’ireo mpitrandraka madinika ary ny fahasarotan’ny fikarakarana taratasim-panjakana no anisan’ny olana tsy maintsy atrehinay. Tsy hiraviravy tanana izahay na dia eo aza izany satria ny fanirianay dia ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara sy ny fanohanana ny vahoaka Malagasy amin’ny alalan’ny PEM (Programme d’Emergence de Madagascar), naroson’ny Filoham-pirenana Rajoelina Andry”, hoy ny mpitantana ny VANTAGE INTERNATIONAL eto Madagasikara,  Dr Prasannan N. Nambarany ihany koa fa efa  an-dalam-pikarakarana ny  fananganana orinasa momba “jeux en ligne” mba hanohanana ny lafiny ara-tsosialy eto Madagasikara toy ny fizarana tablette, ordinateur portable, famatsiana sakafo sy akanjo ho an’ireo olona sahirana ry zareo.

Tsenan’ asa an’ habaka

Ankoatra ny VANTAGE dia miha-misongadina ihany koa ny orinasa fikirakirana tambazotram-pifandraisan-davitra toy ny AMMBR TRADE LIMITED, ity orinasa ity izay mbola nahavita nampitombo hatrany ny renivolany ho 25 tapitrisa Ariary ihany koa amin’ izao fotoana izao. Efa mahazo vahana ankehitriny eto amintsika ny fikirakirana ny tambazotram-pifandraisan-davitra, raha tsy hiresaka afa-tsy ny fahazoan’ ny tsenan’ asa an’ habaka na “marchés de travail en ligne” vahana tato anatin’ ny taona maromaro. Eo ihany koa ny  firoboroboan’ny fampiasana Facebook. Noho izay firoboroboan’ny sehatry ny fikirakiràna tambazotra izay dia mila miparitaka manerana ny tanàna ny “internet” ka mila manaraka izany ireo fotodrafitr’ asa misy. Efa misy ireo tariby milevina ambanin’ ny tany izay mitondra tambazotra ampitain-davitra na WIFI any ivelany ka ny fiseharana amin’ izany no tena talentan’ ity orinasa AMMBR TRADE LIMITED ity. Tsy eto Madagasikara ihany kosa anefa no iasàny fa manerana izao tontolo izao, izany hoe sokajiana ho ao anatin’ irony “Multinationales” irony ireo orinasa ireo.

Nanangona: Lynda A.