VAKY SÔVA: Antso an-kira mampita hafatra mankany amin’ny fiarahamonina iray .

Mandray anjara amin’ny ady  atao amin’ny herisetra ihany koa ireo ny mpiangaly ny Vaky  Sôva. Antso an-kira mampita hafatra ho an’ny fiarahamonina iray mankany amin’ny fiarahamonina ity kolontsaina Malagasy ity.  Efa nanomboka ny taona 2009 no namelo-maso azy ny fikambanana TAMBOHO BE ka amin’ny volana Aogositra ho avy izao ny  hetsika Festi Sôva andiany fahadimy.

Mahazatra ny sofina ny mahare hoe: “hiran’ny ambany tanana”,  “hiran’ny jiolahy”  ny  Vaky Sôva na tôkatôka. Nambaran’ny Sekretera Jeneralin’ny Fikambanana, RIVOSON Théogène anefa fa manan-danja eo amin’ny kolontsaina izy ity. Manaporofo izany ny hevitra fonoson’ireo tonon-kira. Ho an’ny andiany manaraka.