UNDD : Sady tsy ao anatin’ny fanjakana no tsy ao anatin’ny mpanohitra

Nizara roa lehibe ny fehin-kevitra nivoitra nandritra ny fakan-kevitra nasionaly notanterahan’ny antoko UNDD nandritra ny roa andro. Eo ny fiainan’ny antoko, izay mifototra amin’ny fametrahana ny tena demokrasia. Hatramin’izay,  rehefa nisy ny Prezidà lany dia eo amin’ny toerana izy vao manangana antoko. Miavaka amin’ny antokon’ny mpitondra fanjakana  hatramin’izay noho izany ny UNDD satria nitsangana mialoha ny nitondran’ny Profesora Zafy Albert izay natolony ka lasa Prezidàn’ny repoblika izy. Ny taona 1989 dia efa nahatsangana ny biraony ary  ny taona 1990 no nahazo ny taratasy maha antoko ara-dàlana azy izy. Tsy mijanona fa mivoy hatrany ny fampihavanam-pirenena tena izy ny UNDD izay nilofosan’ny Profesora Zafy Albert. Fototry izany fampihavanam-pirenena izany ny fahefana ara-politika,  ny fahefana ara-tsosialy, ny fahefana ara-toekarena ary ny fahefana ara-kolotoraly izay tokony hitsinjara manerana ny nosy. Faha roa kosa dia momba ny fiainam-pirenena, mahatsapa ny zava-misy amin’izao fahasarotan’ny fiainan’ny malagasy izao ny antoko. Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky faran’izay haingana ny sosialim-bahoaka andavanandro ny antoko UNDD. Amin’izy ireo maika io sosialim-bahoaka io satria tsy mbola hisy fiantraikany izao dia izao ireo tetikasa kasain’ny fitondrana atao amin’izao fotoana izao fa lavitr’ezaka. Midangana ny vidim-piainana, mirongatra ny tsy fandriam-pahalemana, ny Jirama, ny fahasalamam-bahoaka, ny fampianarana…Tokony ho jerena mialohan’ny zavatra rehetra ireo raha ny hevitry ny antoko. Nomarihan’ny Sekretera jeneralin’ny UNDD, Manoro Regis fa sady tsy manohana ny fanjakana no tsy manaraka ny mpanohatra ny antoko fa eo afovoany hatrany izay nahafantaran’ny rehetra azy hatrizay. Amin’ny herintaona no hanao ny kongresy izy ireo.

Nirina R.