“Tsy maintsy hovaina ny Lalampanorenana, satria…” hoy i Pety Rakotoniaina

Iray amin’ireo nandray anjara feno tamin’ny dinika fampihavanam-pirenena natao teny amin’ny CCI Ivato i Pety Rakotoniaina. Ny fahitana ny vokatra.

 

Misy ny miteny fa tsy nisy fampihavanam-pirenena teny Ivato” hoy i Pety Rakotoniaina. “Izaho kosa dia faka mijoro ho vavolombelona fa nihavana ny mpifanandrina tahaka ahy sy Ravalomanana” hoy izy. Notantarainy fa tonga tao amin’ny vaomiera nandraisany anjara ny Filoha Ravalomanana. Nifanatrika izahay. Notsiahiviko azy fa tsy ho tonga teo amin’ny fitondrana izy tamin’ny taona 2002 raha tsy teo ny tenako. Niaiky izany rahateo i Marc Ravalomanana hoy Pety Rakotoniaina. Na teo aza izany asa vita izany dia tsy nahasakana an-dRavalomanana nanagadra ahy sy ny vadiko izany. Tena fanapotehana ny fiainanay mianakavy mihitsy no nataony. “Na teo aza izany tantara nankarary anay mianakavy izany dia namela heloka aho. Nifanoroka taminy. Ny tombontsoan’ny firenena no mibaiko fa tsy ny tombontsoako samirery” hoy Pety Rakotoniaina.

 

Iray amin’ny fomba ratsy fanaon’ny mpanao politika io fihetsika nataon’i Marc Ravalomanana io araka ny fanazavan’ny filohan’ny antoko Tambatra. Vao mahazo fahefana ny olona iray dia miova. Inona no arofanina ?

 

Mitaky “Refondation” ny fanatsarana ny ampitson’i Madagasikara. Lalana iray mankany amin’izany izao fampihavanam-pirenena nataon’ny FFKM izao araka ny fahitan’ny filohan’ny antoko Tambatra azy.

 

Ho an’i Pety Rakotoniaina dia mila ovana ny Lalampanorenana. Soratana mazava ao fa ferana ho 50% ny tombontsoa omena ny firenena (fanjakana foibe) amin’ny resaka fitrandrahana harena ankibon’ny tany hifanarahana amin’ny orinasa hitrandraka izany. Ka ny ampahatelon’io 50% dia omena ny faritany nitrandrahana ilay harena ary ny roa ampahatelon’io 50% io kosa dia omena ireo faritany dimy hafa. Soratana mazava izany. “Izany no hatao dia mba ahafahana miantoka ny fampianarana maimaim-poana an’ireo zanaka malagasy ary koa manome fitsaboana maimaim-poana azy ireo fa tsy fitiavana hangoron-karena” hoy Pety Rakotoniaina.

 

Soratana mazava ao anatin’ny Lalampanorenana ihany koa fa ny tetibolam-panjakana dia hita taratra ny antsasany dia ho an’ny Vondrom-paritra itsinjaram-pahefana. Marihina fa ankehitriny dia mbola 5% ihany no ho an’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana kanefa dia lazaina fa hiroso amin’ny fitsinjaram-pahefana isika araka ny hita ao amin’ny Lalampanorenana.

 

Ho fanarahana maso izay mpanatanteraka kosa dia tontosaina isaky ny roa taona ny Conférence Nationale. Io conférence nationale io dia handinika ny asa vita. “Contrôle politique izany ary azoko antoka fa matahotra izany ny mpanatanteraka amperinasa ka tena hiasa ho an’ny vahoaka” hoy Pety Rakotoniaina.

 

Isan’ny tsy maintsy esorina ao anaty Lalampanorenana ihany koa ny filazana fa ny filoham-pirenena dia filohan’ny Filankevitra Ambony momba ny Mpitsara. Tsy ahaleotena mihitsy ny fitsarana raha mbola izany no hita.

 

 

Nanangona Ravaoarisoa Ginette